- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversAnkirihiry Toamasina : Jiolahy iray voatifitry ny polisy

Ankirihiry Toamasina : Jiolahy iray voatifitry ny polisy

Tena efa ao anatin’ny “operation” tsy an-kitsitsy ny polisim-pirenena eto Toamasina araka ny fivoriana nataon’ny polisy niaraka tamin’ny talen’ny filaminana anatiny Toamasina. Jiolahy iray indray no maty voatifitra ny alarobia 03 oktobra tamin’ny 09ora sy 30min alina tao amin’ny tsenan’Ankirihiry atsimo parcelle 11/31. Raha ny fanazavana dia telo lahy ireto jiolahy nanendaka ramatoa tratra alina teo amin’ny tsenan’Ankirihiry izay nitondra zava-maranitra nandritra izany, dia niezaka niantso vonjy ilay ramatoa noravana finday ka niezaka nanenjika ireto mpanendaka ny fokonolona ary niantso polisy ihany koa. Ny polisin’ny FIP no tonga ara-potoana nandritra izany, ka tratra teo amin’ny tsenan’Ankirihiry ireto jiolahy saingy iray no maty voatifitra nandritra izany ary mbola tratra teny aminy ny antsy be fampiasany fampitahorana olona fitondrany, raha afa-nitsoaka ny jiolahy roa namany. Niezaka ny namaly ireto polisy nanenjika azy ireto jiolahy ireto nandritra izany, ka niezaka namaly ireo polisy manenjika azy tamin’ny fampiasana ireo zava-maranitra teny aminy. Voalaza moa fa tafaverina tamin’ilay ramatoa voahendaka ny finday nangalarin’ireto jiolahy nandritra izany. Mbola hifampitadiavana ireto jiolahy roa tafatsoaka ireto, ka tsy maintsy ho tratra ireny hoy ny polisim-pirenena avy amin’ny FIP araka ny baiko voaray fa tsy andeferana mihintsy ireo jiolahy tsy mampisy filaminana eto Toamasina ity. Ankoatra izay dia ramatoa iray tompona kiska M.Vola teo akaikin’ny OTIV Tanamakoa hody tao Tanamakoa ihany indray no notafihana jiolahy nitondra zava-maranitra ihany koa. Notsatotsatohan’ny antsy ilay ramatoa soa ihany fa tsy maty ary mbola mitsabo tena amin’izao.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici