Misesisesy indray tato ho ato ny fanafihana mitam-piadiana amin’ireny kioska manao fanakalozam-bola ireny eto Toamasina. Taoriana ny famoriana nataon’ny prefen’i Toamasina Benandrasana Cyrille ireo filoham-pokontany, ny sabotsy teo mikasika indrindra ity tsy filaminam-bahoaka ity, sy taorian’ny tranga na fanafihana tao kioska “mobil money” tao Ambalakasoa, ny alatsinainy tolakandro izay tsy nahazoana na inona na inona, dia nitrangana fanafihana hafa indray ity kioska manao “mobil money” iray tao Ankirihiry omaly maraina misandratr’andro. Vola 100.000 ariary no nalain’ireo jiolahy telo nitondra basy PA vita gasy sy nitondra moto scooter roa. Tsy nisy aloha ny voasambotra tamin’izy telo lahy ireto, fa heverin’ny polisy sy ny mpanara-baovao fa misy ifandraisany tamin’ireo andian-jiolahy tao Ambalakisoa tsy nahazo na inona na inona ny alatsinainy ihany izy ireto. Ankilan’izany, dia mahazo vahana ihany koa ny vaky trano samihafa amin’izao ka ireo mpangalatra amin’izany dia mikendry ireo trano tsy maintsy hahazoany “écran plat” sy hahazoany firavaka samy hafa ary fantany fa misy vola an-trano. Ireo fokontany manodidina ny tampon-tananan’i Toamasina no tena lasibatra amin’izany vaky trano izany, satria tsy maintsy taratara hatrany mantsy ny mpitandro filaminana vao tonga any amin’ireo ka efa lasa mandositra ireo jiolahy. Ankoatra izany, dia ny resaka fisolokiana ihany koa dia mahazo vahana amin’izao fotoana izao eto Toamasina. Ao anatin’ny taom-panondranana lavanilina mantsy ny eto amintsika izao, eo koa ny fotoam-pihotazana lodsia, ary ny fotoana fiakaran’ny jirofo. Araka ny vaovao marim-pototra voaray, dia zandary roa lahy saika hanao kolikoly sy hanao fisolokiana mpandraharaha jirofo iray no saika matin’ny fitsaram-bahoaka raha tsy navotan’ny FIP noho ny antso voarain’ny FIP. Tsy miaro andian-jiolahy ny zandary fa rehefa vandana dia kary aminy ka tsy afaka hiaro izany ny zandary raha misy ny fitoriana mandeha.
Malala Didier