Nizotra tam-pilaminana tamin’ny ankapobeny ny fifidianana ho an’ny distrikan’i Toamasina I, saika nisokatra tamin’ny fotoana voatondron’ny lalana avokoa ireo birao fandatsaham-bato, na teo aza ny fahatarana 10 hatramin’ny 30min noho ny fandaminana sy ny fifidianana ireo olona roa avy amin’ny mambran’ny birao fandatsaham-bato manao ilay sonia amin’ny bileta tokana. Na teo aza io filaminam-pifidianana ho an’i Toamasina I io dia saika nitrangana sakoroka kosa ny tao amin’ny birao fandatsaham-bato teo anivon’ny Epp Tovovelona Rapheal Ankrihiry omaly maraina. Ny antony dia ny fisian’ireo andiana tovovavy efatra avy amin’izany fikambanana “Madagascar Exit Poll” izany izay nahazo fahazoan-dalana avy amin’ny birao mahaleon-tena ny fifidianana hanao fanaraha-maso, saingy lasa nanao “sondage” indray izy ireo amin’ny fametrahana fanontaniana amin’ireo mpifidy avy nandatsa-bato. “Iza no olona nofidinao?”, sy ny hoe “laharana fahafiry no nofidianao?” ny fanontaniana apetrak’izy ireo amin’ireo mpifidy mivoaka ny birao fandatsaham-bato. Izay no niteraka fahasorenana avy amin’ireo mpifidy ka nampisy fifamaliana teo amin’izy ireo ary nahatonga ireto tovovavy avy amin’ny “Madagascar Exit Poll” ireo nandrasan’ny olona maromaro ivelan’ny vavahadin’ny Epp Todivelona Raphael. Voatery niditra an-tsehatra ireto teo anivon’ny CED Toamasina sy ireo solontenan’ny kandida nandamina ny raharaha ary nangataka ny porofo ahafahan’ity fikambanana ity manao ny “sondage” nataony, izay tena voararan’ny lalana amin’ity fifidianana ity eto amintsika. Nandritra ny nanaovan’ireto andiana tanora ireto ny iraka nampanaovina azy ireo dia nahitana ilay gazety tsy vidina zarazaraina nampisy resa-be teto Toamasina ireto tovovavy ireto, izay mbola nampihakatra ny maripana ihany koa. Ho fiarovana ny ain’ireto tovovavy nirahan’ny fikambanana “Madagascar Exit Poll” teto Toamasina ireto, dia nampitsoahana sy narovana mpitandro ny filaminana izy ireo. Toeram-pifidianana telo no tena nahitana azy ireto teto Toamasina dia ny tao amin’ity Epp Todivelona Raphael ity sy ny tany Ambalamanasy ary ny tao Morarano. Vokatr’izay dia nanao filazana maika ny filoha misahana ny fanaraha-maso ny fifidianana eto Toamasina, nilaza mazava fa tsy nanome alalana hanao “sondage” ity fikambanana ity ny birao mahaleon-tena misahana ny fifidianana Malagasy foibe sy ny teto Toamasina, koa misandoka izay milaza manao izay ary enjehina araka ny lalana manan-kery. Koa andrasana izay ho tohin’izao raharaha izao, fa mety hiteraka tsy filaminam-pifidianana ny tohiny.
Malala Didier