- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAnkizilahy matin’ny ady an-dalam-be : Miandry fitsarana am-ponja ny efatra tamin’izy dimy...

Ankizilahy matin’ny ady an-dalam-be : Miandry fitsarana am-ponja ny efatra tamin’izy dimy lahy voasambotra

Omaly, araka ny fanapahan’ny tonia mpampanoa lalana sy ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona, no nakarina teo anivon’ny fitsarana ny antontan-taratasin’adin’izy dimy lahy, voasambotry ny FIP tamin’ny famonoana ilay ankizilahy mpianatry ny CEG Ratsimilaho maty noho ny ady an-dalam-be. Niaiky ny heloka nataony avokoa ny efatra tamin’izy dimy lahy voasambotra, ka nivadika ho famonoana olona niniana natao sy efa nomanina ilay vono olona tsy nahy tao anatin’ny antontan-taratasim-panadihadian’ny polisy. Vokany didy savaranonando miandry fitsarana am-ponja no navoakan’ny mpitsara ny zaza tsy ampy taona misahana ny raharaha. Ny iray kosa amin’ny naha-vavolombelona azy dia nahazo ny fahafahana vonjimaika tamin’ny fitsarana. Ankoatra izany dia ny zoma tolakandro teo no nalevina Rakotonandrasana Rayan Médéros, ary amin’ny maha-mpianitry ny CEG Ratsimilaho azy tahaka ireo namono azy izay efa miandry fitsarana am-ponja ny efatra tami’ireo dimy, dia nampanandalovina ny toeram-pianarany ity ankizilahy ity.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici