- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilÀ lireMaroantsetra : Ankizivavikely naolan’ny raikeliny

Maroantsetra : Ankizivavikely naolan’ny raikeliny

Ilay raikely nanolana ny zana-badiny.

Mbola maro hatrany ireo tsy mety fay amin’ity resaka ity. Tany amin’iny distrikan’i Maroantsetra iny indray no nisehoan’ity herisetra ara-nofo nihatra tamin’ny ankizivavy kely vao 11 taona monja. Araka ny fampahafahantarana nataon’ny teo anivon’ny pôlisy dia nosamborina avy hatrany ity lehilahy 32 taona tsy mataho-tody ity, raha vao tonga teny am-poto-tsofin’ireo mpitandro filaminana fotsiny ny tranga, taorian’ny fitoriana napetraky ny renin’ilay zaza.

Raha ny fantatra hatrany moa dia zana-badiny ihany ity nampiharany ny filan-dratsiny. Miara-mipetraka izy ireo ao amin’ny fokontany Ankiakalava, distrikan’i Maroantsetra. Ny 28 martsa lasa teo, raha tsy teo an-toerana ny vadiny, ilay renin’ilay zaza no nohararaotiny nanaovan’ity tsy valahara ny tsy fanao ilay zaza. Soa ihany anefa, tamin’io fotoana, araka ny vaovao hatrany fa niverina tampoka io reniny io ary tra-tehaka teo am-panaovan-dratsy ingahirainy. Izy diso indray anefa no mbola be vava ary tonga hatramin’ny fandrahonana azy mianaka mihitsy, mba tsy hitantara ny zava-nisy niseho tamin’io fotoana io. Tsy nanaiky lembenana anefa ilay renim-pianakaviana ka nandeha avy hatrany nihazo ny kaomisarian’ny pôlisy nametraka fitoriana. Teo anatrehan’ny zava-nisy, nandray andraikitra avy hatrany ireto farany ary nisambotra tsy nisy hatak’andro an’ilay raikely nahavanon-doza. Notanana natao famotorana tany amin’ny biraon’ny pôlisy izy ary natolotra ny Fampanoavana omaly ny raharaha. Mazava ho azy fa tsy misy indrafo ny fanapahan-kevitr’ireo mpitsara famotorana manoloana ny trangana fanolanana zaza tsy ampy taona tahak’izao : « MD » avy hatrany, miandry ny fotoam-pitsaràna.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici