- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAnkizivavy « classe de 8 ème » nisy nangataka ho vady tsy...

Ankizivavy « classe de 8 ème » nisy nangataka ho vady tsy hita popoka, tsy fantatra na maty na velona

Raha ny fantatra araka ny vaovao marim-pototra voaray, dia nisy lehilahy iray voalaza fa mpamboly lavanila avy any Andapa nangata-bady an’ity tovovavikely vao 13 taona monja, kilasy T4 (8 ème) mianatra amina sekolim-panjakana iray any an-toerana. Na dia notambazana vola be sy omby aza ny ray aman-drenin’ity zazavavy, monina ao Ampangadiambato Kaominina Ambanivohitra Ambohimalaza any amin’ny Distrikan’i Sambava, dia tsy nanaiky hatramin’ny farany, ary nilaza fa mbola kely ny zanany sady mbola mianatra. Ora vitsy taorian’ ny fandavan’ny rainy azy tsy handeha hanaraka hanambady mpamboly lavanila, dia nanjavona tampoka tsy hita popoka nanomboka ny alakamisy teo ka hatramin’izao ity « tsaiky manangy » ity niaraka tamin’ ilay lehilahy nangataka azy ho vady, izay karohin’ny mpitandro filaminana fatratra ankehitriny, hoy ny tati-baovao voaray.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici