- Publicité -
vendredi, mai 30, 2025
AccueilFaits-DiversMandoto : Ankizivavy voaolana nandritry ny famadihana

Mandoto : Ankizivavy voaolana nandritry ny famadihana

Ingahirainy mpanolana

Lehilahy iray, 54 taona no voalaza fa tompon’antoka tamin’ny herisetra ara-nofo nihatra tamin’ity ankizivavy ity. Voatery nosamborin’ny zandary, ny voalohandohan’ny volana teo, tao Vinany, distrikan’i Mandoto. Androm-pamadihana tokoa ny amin’izao. Fotoan-dehibe tokoa, famoriana ny fianakaviana, indrindra moa any amin’iny faritra Vakinankaratra sy ny manodidina. « Bal » be mandra-maraina, miaraka amin’ny vary be menaka sy ny bapampa ary ny zava-pisotro isan-karazany. Fotoana fanararaotan’ireo olon-tsy vanona ihany koa, indrindra fa ny alina. Toy ity nitranga tao Ambohitrandriana, tao amin’ny kaominina Vinany, ny alin’ny 31 hifoha 1 jolay lasa teo. Ankizivavy iray, vao 13 taona monja no niharan’ny fanararaotana ara-nofo nandritra ny lanonana tao an-toerana. Efa nahavita ny asa ratsiny ilay mpanolana fa hitan’ny ray aman-drenin’ilay zaza ny nihatra taminy. Nanamafy rahateo ny mpitsabo fa tena niharan’ny fanolanana ity ankizy ity. Nametraka fitoriana avy hatrany ireo ray aman-dreniny ary niantefan’ny ahiahy tamin’izany io lehilahy 54 taona io, izay tsy iza, araka ny fampitam-baovaon’ny zandary fa andahin-dreniny ihany. Efa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana moa ingahirainy ity ary tsy nisalasalàna ny fanapahan-kevitr’ireo mpitsara mpanao famotorana : fampidirina am-ponja vonjimaika, miandry ny fotoam-pitsaràna azy. Tsiahiviana fa tany Faratsiho ihany koa dia efa nisy tranga fanolanana tahak’izany nandritry ny androm-pahamadihana ihany koa. Zaza vao roa taona monja indray tamin’izay no lasibatra ary noahiahiana ho nahavanon-doza ny rainy, izay mamo tamin’izay fotoana izay.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici