- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkizy lasibatry ny fanolanana : Misy misoloky amin’ny anarany sahady

Ankizy lasibatry ny fanolanana : Misy misoloky amin’ny anarany sahady

« Mba mangataka fanampiana ho anareo izay tsara sitrapo na fikambanana fa handalo fandidiana i H… ilay zazakely voaolana (…) Ity ny numero ho an’izay handefa vola 034XXXX » Ampahany amin’ny ranty tao amin’ny facebook izay hita niparitaka indray tany ho any.

Anisan’ny trangan-kerisetra ara-nofo nianjady tamin’ny ankizy kely, nahabe resaka sy nampiontana ny fon’ny maro, indrindra fa ireo tao anaty tambajotra sosialy ilay nahazo ity ankizivavy kely teny Imerintsiatosika ity. Vetivety dia niara-nientana ny rehetra, nikaroka ilay nahavanon-doza, taorian’ny hafatra mafonja navoakan’ny pôlisy sy zandary. Tsy nisy iray andro akory taorian’izay akory dia voasambotra ilay voalaza fa tompon’antoka. Talohan’io, raha hiverenena kely ihany ny tantara dia niparitaka izay tsy izy tao anaty tambajotra sosialy ny sarin’ilay ankizivavy kely sy ny reniny, teo ambony fandrian’ny hôpitaly. Nahavaky fon’ny rehetra ! Izay toe-javatra izay no nohararaotin’ny olon-dratsy sasantsany indray entina manao ratsy sy misoloky. Tsy tahotra tsy henatra mantsy fa dia misy olona sahy mangataka fanampiana amin’ny rehetra fa hoe handalo fandidiana ilay zaza ary tsy maintsy mila volabe. Tsy niandry ela fa nampitandrina ny rehetra avy hatrany ny  teo anivon’ny zandarimariam-pirenena, fa tsy misy izany zavatra izany ary fisolokiana avo lenta no ao ambadika. Marihina fa efa mandray an-tanana ity raharaha ity moa izy ireo ary miroso amin’ny fikarohana izay olona ao ambadik’ireo kaonty maromaro nandefa io ranty io.

Nadoboka eny Tsiafahy iny Dawilly, ilay nahavanon-doza. Angamba misy namany te hanaraka azy mafy ihany koa any ho any. « …Tsy dia sarotra loatra ilay mikaroka anao », hoy ny zandary ao amin’ny pejy facebook ofisialin’izy ireo.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici