Nivoatra ny raharaha taorian’ny nahitana ilay ankizy vavy kely tapa-doha teny Ambatolampy Tsimahafotsy. Amin’izao fotoana izao, vehivavy iray no ahiana ho ao ambadik’ity famonoana ity. Ny loharanom-baovao hatrany no ilazana fa niainga teny Soanierana ny raharaha tamin’ny alatsinainy eo. Ny vaovao fantatra dia roa sosona ny tranga teny Soanierana tamin’ny andron’ny alatsinainy. Teo ilay ankizy lahy tsy hitan’ny ray aman-dreniny rehefa nirava ny sekoly. Rehefa notadiaviny izy io dia hita teny Anosizato. Tsy fantatra na misy ifandraisany ireto zavatra ireto na tsia. Rehefa nisokatra ny fanadihadiana natoan’ny mpitandro filaminana dia misy ny fahasahiranana. Amin’ireto tranga ireto mantsy dia vehivavy avokoa no voalaza fa ao an-damosin’ny raharaha. Efa eo am-panaovana ny famotorana rehetra ho an’ireo voakasik’ireto zavatra ireto ny mpitandro filaminana. Avy amin’izany no tsy maintsy ahafantarana ny marina rehetra.
Tsiahivina fa olona sendra nandalo no nahita ny fatin’ilay vavy kely efa tsy nisy loha intsony toa natsipy fotsiny teo amin’ilay toerana. Mbola teny aminy ny kitapony. Resaka maro no re amin’izao fotoana izao. Ao ireo milaza fa miverina indray ve izany ny fangalarana ankizy eny amin’ny sekoly. Taona vitsy lasa izay, nahoraka teto amin’ny renivohitra ny zavatra sahala amin’izao ary nampisahotaka ny rehetra mihitsy izany. Sambany kosa anefa ny famonoana sahala ity niseho teny Ambatolampy ity.
r.s.