Raha ny fandaharam-potoan’ny fitsarana, dia anio alakamisy no hiakatra fitsarana eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohan’i Toamasina, ilay raharaha vaky trano narahana fandrobana ary nitrangana fanolanana zatovovavy 16 taona mpianatra taona famaranana eo anivon’ny Lycée Rabemananjara, nataon’ireo jiolahy dimy nirongo basy, nandritra ny asan-jiolahy nataony. Raha hiverenana ny tantara, dia tao Morafeno P/elle 14/33 no nitrangany, ny alatsinainy 19 oktobra tokony ho tamin’ny 2ora maraina. “Efa nitalaho tamin’ireo jiolahy ireo aho mba tsy hikitihana azy, nefa tena mafy tamiko ny nitondran’ireto jiolahy azy nivoaka ny trano izay tsy nisy azonay natao noho ny antsy efa eo an-tendanay mivady. Ny findainay ihany koa efa nalain’ireo jiolahy avokoa, ka tsy afaka niantso polisy”, hoy ity renim-pianakaviana, izay latsa-dranomaso teo am-pitantarana ny zava-nisy. Nohamafisiny, fa “feo no miantso anay sisa no henonay manalavitra tsikelikely ny tranonanay; izay efa voarahona mafy tsy hiantso vonjy raha tsy izany hovonoin’ireto jiolahy ny zanakay. Feo miantso vonjy voaolana tao anaty ala na volotsangana tsy lavitra anay sisa no henonay izay tena nankarary ny fo, saingy tsy nisy azo natao mihitsy”. Raha nahavita ny nataony ireto jiolahy izay nifandimby taminy, dia nalefan’izy ireo nody izy, ary izy no nitantarana ny nanjo azy nataon’ireo jiolahy dimy taminy. “Hisafidy ny hanao masera io zanako vavy io raha vao afaka baka eo, ary efa nifampiresahanay izany ka nekenay, satria izay no tendrin’Andriamanitra, nefa izao nozimbazimbain’ny jiolahy izao”, hoy hatrany ny reniny; efa nahazo famotsorana vonjy maika teo anivon’ny fitsarana moa ireo hany mbola voasambotra tamin’izao raharaha izao, ka mitaky ny hanaovana ny fitsarana madio sy mangaraharaha ary tsy mitanila lavitry ny kolikoly izy ireo.
Malala Didier