Tokony ho tamin’ny sivy ora maraina no nitranga ny lozam-pifamoivoizana omaly. Niparitaka teo amin’ny arabe ny sakafo isan-karazany izay tsakitsaky. Ny antony dia satria nifatratra tao amin’ny toeram-pivarotana lasopy ny fiara kely iray peugeot 206. Nentin’ny ramatoa izay nanao torimaso fotsy ny fiara ary tsy tafajanona intsony izany raha tsy tao amin’ilay toeram-pivarotana. Eo ambony « trootoir » anefa no misy azy, raha araka ny fitantaran’ny olona sy araka ny hita maso rahateo. Talohan’izay dia mbola nandona môtô koa ilay fiara ary voatery nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana ny nitaingina izany noho ny ratra izay nanjo azy.
D.R