Lehilahy iray, izay vao avy nandray vola tamina hazakazan-tsoavaly no narahin’ny mpanendaka roalahy, avy eny Ankorahotra ka hatrany Ambanidia. Tsy nahavoa ny asa ratsiny anefa izy roalahy ireto, fa sendra ny nahay azy. Rehefa tazan’ity olona ity mantsy fa misy manaraka sy somary hafahafa ny fihetsik’ireo roalahy avy hatrany dia nolerany ny sabatra tany aminy ny iray ary naratra mafy. Nampiseho ny karatra maha-mpiambina matihanina azy amina orinasa iray avy eo ingahy, ary nilaza mazava hananany taratasy ara-dalana ny fisian’ny zava-maranitra tany aminy. Izy rahateo ihany koa tamin’io fotoana io avy niasa ka handeha hody. Ny voalohandohan’ny herinandro teo no nisehoan’ity tranga hafakely ity. Araka ny filazan’ireo nanatri-maso sy ny fanazavàn’ity mpiambina ity tokoa mantsy dia nahazo tamin’io lalao hakazan-tsoavaly io ranamana. Ny hariva avy niasa ny tenany no naka izany teny amin’ny toerana nisy ilay fakàna vola. Tamin’io fotoana io dia tsinjony ho nisy roalahy nanaraka ny tenany. Nony tonga teo Miandrarivo, Ambanidia no somary nila vanina taminy amin’izay ireto farany. Tsy nisy fisalasalàna ny nampiasainy ny fitaovam-piadiana tany aminy ka io nandratra ny iray tamin’ireto mpanendaka ireto. Sanganehana avy hatrany ilay namany ary namoaka karatra ihany koa sy nilaza fa hoe mpitandro filaminana. Nanazava teo ilay mpiambina fa fiarovan-tena ny azy ary raha marina fa hoe mpitandro filaminana dia vonona ny hanazava ny fihetsika nataony hatramin’ny farany izy. Nifanarahana fa entina tamin’ny hôpitaly aloha ilay naratra izay vao mamonjy biraon’ny mpitandro filaminana. Tany amin’ny hôpitaly anefa dia nanjavona sy tsy hita intsony ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Hita ho nirongatra tokoa ity resaka fanendahana ity tato ho ato, eny fa na dia efa manao ny ainy tsy ho zavatra ihany koa aza ireo pôlisy misambotra ireny tontakely ireny. Fa ny tena zava-doza dia mazàna manana fitaovam-piadiana mahery vaika izy ireo, ary tsy menatra mihitsy ny mamono, raha vao misy miana-kendry manohitra azy ireo, toy ilay nitranga tetsy Ambohimanarina, andro vitsy lasa izay.
m.L