Nampanano sarotra an’ingahy angamba ny nihanika ity tamboho ka tra-maraina teo ranamana, ary sendran’ireo mpanao fisafoana. Tranga niseho tetsy Ankorahotra ny faran’ny herinandro lasa teo. Ao anatin’ny hetsika izay tanterahan’ny pôlisy eto an-drenivohitra amin’ny famongorana hatramin’ny fakany ny resaka tsy fandriampahalemana dia misy hatrany ny asa fisafoana tsy tapaka, ataon’izy ireo, eny fa na hatreny anivon’ireo elakelan-trano rehetra tsy tazana ireny aza. Nandritry ireny hetsika ireny indrindra, izay nataon’ny teo anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa, teny amin’iny faritra Ampasanimalo sy Ankorahotra iny no nahatsikaritra tovolahy iray, toa nihantona teo amin’ny tambohon’olona iray izy ireo, tokony ho tamin’ny telo ora maraina tany ho any. Raha andro atoandro dia neverina fa mety ho naka zavatra lasa teo ambony tamboho ity farany saingy amin’ny andro vao mangiran-dratsy, azo heverina avy hatrany fa tontakely saika hanao ny asa ratsiny ranamana. Natonina avy hatrany ingahirainy, izay tsy afa-nitsoaka intsony fa nidina tsimoramora, namaly ny fanontanian’ireto pôlisy. Nibaboka tokoa ranamana fa saika hangalatra tao amin’io tokatrano io. Nentina avy hatrany nihazon’ny biraon’ny pôlisy moa ity tovolahy ity, ho amin’ny fakàna am-bavany azy. Nambaran’ny fampitam-baovaon’ny pôlisy fa izy irery no tratra tamin’io fotoana io ary tsy nisy namana ihany koa ny lehilahy. Saika « nifonosany vy » irery ny fandrobana ity tokatrano ity kanjo izao nandamoka tampoka fa sendra ny mpanao fisafoana izao. Natolotra avy hatrany ny fampanoavana ny talata teo ity tontakely ity ary nadoboka am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsaràna azy.
m.L