- Publicité SW45 -
vendredi, janvier 10, 2025
AccueilFaits-DiversAnkorahotra : Vola haterina ao amin’ny banky voatafika

Ankorahotra : Vola haterina ao amin’ny banky voatafika

Amin’ny andro antoandrobe nanahary indray ny fanafihana ny alatsinainy teo. Mpivady handeha hanatona banky iray eo amin’ny manodidina an’Ankorahotra no voatafika. « Toa ny efa narahina izahay ary olona iray nandeha kodiaran-droa ary koa mitazona basy, nafeniny teo am-balahany, no tompon’antoka », raha araka ny fanazavàna. Teo amin’ny fiantsonan’ny fiara no tonga tampoka ilay nandeha moto. Tsy nanam-po na inona na inona ilay ramatoa ary mbola nisokatra rahateo ny fitaratry ny fiara noho ny hafanam-be. Teo indrindra no nanatona ilay jiolahy ary nampiseho ny basy teny aminy no sady nanery ilay ramatoa hanome ny paoketra teny aminy. Lasa tao ny vola, ny finday ary ny baiboly. Vola ampahany ihany anefa satria ny tena vola haterina amin’ny banky dia efa lasan’ny raim-pianakaviana mialoha ary voapetraka soa aman-tsara. Mety ho diso kajy araka izany ilay jiolahy, nahiana ho efa nanaraka. Mirongatra ankehitriny ny asan-jiolahy raha vao nanomboka fotsiny ny taom-baovao. Ny tsikaritra dia fanafihana amin’ny andro antoandro mialoha ny mitataovovonana avokoa no nitranga hatreto. Jiolahy efa mahafehy ny paik’ady entiny manafika avokoa ireo, satria ampy ny vaovao eo am-pelatanany. Midika izany fa mafy ny mpitsikilo manome vaovao ny olon-dratsy. Izany anefa dia tsy olona lavitra matetika fa olona miresaka sy mahafantatra ny olona hotafihina ihany. Mila fahamailoana be raha vao miresa-bola sy fananana, satria tena be loatra ny olon-dratsy mirenireny sy mitady izay harapaka fotsiny. Torak izany koa, manana mpitsikilo izay tena miasa mafy ny tambajotran-jiolahy.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici