Tsy mifidy izay harapaka intsony ny mpanendaka eto an-drenivohitra. Zazalahy folo taona izay nilalao finday no nataon’izy ireo lasibatra. Lasa tao anatin’ny indray mipi-maso ny finday tsara tarehy. Ny atoandron’ny alakamisy teo no niseho ny sinto-mahery, tokony ho tamin’ny folo ora. Soa fa nahavita niantso vonjy ilay zandry kely ary tena henon’ny olona izany. Teo ary dia raikitra ny fanenjehana. Nisy nampandre koa ny polisy misahana ny boriborin-tany faharoa ary niditra an-tsehatra avy hatrany. Tampina ny domy ho an’ireo mpanao ratsy satria vetivety dia voafehy izay mety ho lalana rehetra izay mety alehan’izy ireo. Voasambotra arak’izany noho ny fifandrimbonan’ny olona sy ny polisy. Araka ny fanamarinana nataon’ny mpanao fanadihadiana dia tovolahy roa, 18 sy 22 taona ireo olon-dratsy. Samy monina eny Andavamamba izy ireo ary samy mpanendaka. Izany hoe miova boriborin-tany izy ireo rehefa hanatontosa ny asaratsy fa tsy manao an-tanànany. Efa zatra lalan-dririnina anefa kinanjo diso kajy tamin’ity indray mitoraka ity. Tsy nampoizin’izy ireo ny firaisan-kinan’ny olona tampoka, olona izay ontsa noho ny fanendahana ankizy. Etsy andaniny koa, vetivety dia tonga ny polisy ary tsy afa-bela ny olon-dratsy. Misimisia ny toa izany…
D.R