Fisetrasetranan’ny mpitondra môtô sa tsy firaharahian’ny mpamily fiara ? Tato ho ato izay dia tsapa fa mihamaro ireo lozam-pifamoivoizana mihatra amin’ireo mpitondra môtô, raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ny omaly raha ny teto an-drenivohitra. Iray tamin’ireo tranga ireo no namoizana ain’olona, ny hafa kosa faharatrana goavana ary ny sasany aza mbola ao anatin’ny tsy fahatsiarovan-tena tanteraka.
Teny amin’iny lalan’ny Digue teny Ambodihady iny ny loza voalohany, nitranga afak’omaly alina. Lehilahy manodidina ny 35 taona teo ho eo no maty tsy tra-drano, rehefa nidona tamin’ny fiara iray teny an-toerana ny kodiaran-droa nentiny. Tamin’ity indray mitoraka ity dia mety azo eritreretina ho tsy firaharahian’ilay mpitondra fiara no nahatonga ny loza, saingy ny fanadihadiana ihany moa no ahafahana mamaritra izay. Raha ny zava-nitranga mantsy, araka ny angom-baovao azo dia nandeha mafy ilay fiara ary niezaka nisongona ny fiara teo alohany. Tsy hitan’ilay nisongona anefa tamin’io fotoana io ny fisian’ilay môtô nifanena taminy, ho any Andranomena any. Tsy azo nialàna intsony araka izany ny fifandonana. Tafajanona ilay fiara saingy ilay kodiaran-droa kosa no tafalentika tany ambaniny, nahazo ny kodiarana. Nipitika lavitra kosa ilay mpitondra môtô. Niakarapoka tamin’ny tany. Nandriaka ny rà. Mbola noezahina nentina namonjy toeram-pitsaboana ihany moa ity farany saingy indrisy fa tsy avotra intsony. Efa tonga teny an-toerana ireo mpitandro filaminana nanao ny fanadihadiana ary nitondra ny mpamilin’ny fiara atao famotorana. Fa ankoatra izay dia mbola nitrangana lozam-pifamoivoizana mahakasika kodiaran-droa ihany koa omaly hariva tetsy Ankorondrano. Môtô iray no nifatratra tany ambanin’ny taxibe. Naratra mafy ny mpitondra azy ary nentina avy hatrany tany amin’ny toeram-pitsaboana. Voalaza fa mbola ao anatin’ny tsy fahatsiarovan-tena tanteraka ilay rangahy. Fa toraka izay ihany koa no nitranga teny Andavamamba, mbola omaly hariva hatrany, môtô scooter Jog ihany koa no nidona tamin’ny fiara, ary niafara tany ambany kodiarana. Tafala mialoha ilay mpitondra azy saingy na izany aza dia mbola naratra ihany. Tamin’iny lalam-pirenena voalohany iny ihany koa, teny Malaza, Fenoarivo dia mbola nitrangana lozam-pifamoivoizana nihatra tamin’ny kodiaran-droa toa izay hatrany. Araka ny vaovao dia voalaza fa niala fiara nifanena taminy, ilay mpitondra môtô ka tsy nahavily intsony ny kodiaran-droa nentiny ary dia niafara teny amin’ny andrin-jiro iray. Potika ilay môtô ary naratra mafy ilay mpitondra azy. Efa nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana ary efa tonga teny an-toerana ihany koa ireo mpitandro filaminana.
m.L