- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkorondrano- Andranomahery : Fianakaviana 60 no efa nandrava ny trano sy efa...

Ankorondrano- Andranomahery : Fianakaviana 60 no efa nandrava ny trano sy efa niala

Midadasika ny toerana, olona sahirana avokoa ireo nanorina trano teny. Ho ,aiza, hono izy ireo raha hesorina eny?

Nahatonga resabe tato ho ato ny fandravana trano eto amin’ny faritry ny renivohitra. Anisan’ny voakasin’izany ny eny Ankorondrano Andranomahery. Omaly, nikoropaka ireo izay mbola tsy niala fa ho tonga ny fandravana sahala ny teny Ankadimbahoaka. Rehefa nojerena teny an-toerana anefa, tsy nisy an’izany. Tafaresaka tamin’ny sefo fonkatany izahay. Nitondra fanazavana izy ary nilaza mazava fa tsy mbola nisy hatramin’izao izany fandravana tsy nakasitrahan’ny tompony izany. Nisy ny fifampiresahana amin’ireo olona voakasik’ity zavatra ity. Fianakaviana 160 eo ho eo no tokony hiala. Misy ireo izay manaiky ny hiala avy hatrany. Hatramin’izao, 60 no efa tsy mipetraka eny intsony rehefa avy nanao fifanarahana tamin’ny tompon’ny tany. Misy koa anefa ireo izay tsy mbola vonona amin’izany ary dia mijanona eny an-toerana. Mazava tsara ny resaka nataon’izy ireo : “ho aiza izahay” . Resaka be tokoa eny an-toerana ny momba izao fandravana izao. Ny sefo fokontany hatrany no nitondra fanazavana. Misy amin’ireo olona ireo no tompon’ny tany nanorenany trano ary afaka nitondra ny taratasy rehetra manaporofo izany. Afaka nifanaraka tamin’ny mpividy anefa izy ireo ary tsy nisy ny olana. Htramin’izao, hoy ihany ny fanazavana, fianakaviana 100 no efa voajery mikasika ny fialany. Araka ny efa voasoratra ery ambony, ny 60 amin’ireo no efa lasa. Mikasika ny vola nomena azy ireo, eo amin’ny 400 000 ariary ka hatramin’ny 1 000 000 ariary. Arakaraka ny haben’ny trano sy ny hatsarany izy io, hoy hatrany ny filohan’ny fokontany.

Etsy andaniny, maro ireo izay tsy mety handray an’io vola io ary miteny fa tsy mahavita azy ireo fotoana kely akory izany. Mijanona tsy hiala izy ireo ary dia miandry izay fiantraikany.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser