Tao anatin’ny herinandro vitsivitsy, nirongatra ny vaky trano teny amin’ny fokontany Akorondrano Andranomahery. Tamin’ny alarobia alina, trano fivarotana sakafo no fantatra fa nisy namaky. Saika lasan’ilay mpangalatra avokoa ny vilany tao anatiny. Ireo mponina eny an-toerana, nilaza tamin’io alina io, fa tsy natory mihitsy. Raikitrra ny antso vonjy. Nisy olona iray nampiahiahy ny rehetra. Ny hariva dia nisy nahamarika azy nitafy lamba. Nilaza ireo fa vao avy nivoaka ny fonja izy io. Rehefa hita ireo vilany nagalariny dia voamarika fa ilay lamba notafian’ilay olona no namonosany azy. Nanarama mpitarika posy izy haka ireo entana ireo. Tratra anefa ny nafenina. Teo ity mpangalatra ity. Nenjehana fa tsy azo na dia nilanja bisikileta halatra aza.
r.s.