- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversAnkorondrano Andranomahery : Mpanendaka mahery ny 20, nosamborin’ny polisy

Ankorondrano Andranomahery : Mpanendaka mahery ny 20, nosamborin’ny polisy

Raha vao mivoaka ny fonja ireo mpanendaka, dia miverina manao ny asa ratsiny indray

Teo anoloan’ny fitarainana marobe voarain’ny polisy mikasika ny : fanendahana, sinto-mahery vaky, fanafihana mitam-piadiana sy ny asan-jiolahy hafa,dia nanao hetsika ny polisy tamin’ny alarobia maraina teo, tamin’ny faritra maro eto an-dRenivohitra. Vokatr’izany, olona eo amin’ny 20 eo no tazonina any amin’ny BC amin’izao fotoana izao hatao fanadihadiana. Manao antso ireo mpitandro ny filaminana ho an’izay rehetra niharan’ny endaka sy ny sisa ho tonga eny Anosy anio hamantatra ireo tena mpanendaka marina.

Ny andron’ny hetsika vao maraina be, no nanaovana ny fisamborana. Ny teny Ankorondrano Andranomahery, dia olona am-polony aloha no noraofina nanomboka tamin’ny 5 maraina ka hatramin’ny 6 ora teo ho eo. Rehefa tratra ireo, dia nisy ny famantarana izay tena mpanendaka avy amin’ireo mahafantatra azy ireo. Malaza ratsy tokoa iny faritra iny amin’ity fanendahana ity. Raha vao manomboka maizina fotsiny ny andro, dia efa avy ry zalahy. Tsy misy olona sahy mijoro amin’ny fiandrasana « taxi-be » eny Ankorondrano, na dia mbola maro aza ny mpandeha. Manao andiany efatra na dimy izy ireo. Arahany avy aoriana, na koa ifanakanany amin’ny sisin’ny arabe izay kendreny. Bedaina izay hoendahany ary tsy afaka mihetsika. Vetivety dia voasava ny paosy. Misy koa ny avy hatrany dia misintona paoketra eny an-tànana eny. Mandeha etsy andaniny ny rahom-bava manao hoe, lero ny antsy raha vao mitady hanohitra. Raha vao mahazo zavatra izy ireo dia lasa mandositra manaraka elanelan-trano maizina. Tsy misy sahy manaraka azy any. Voa avokoa na vavy na lahy, na antitra na tanora. Ramatoa iray no sahy nametraka fitoriana mazava tany amin’ny mpitandro ny filaminana ary nilaza fa tadidiny ny endrik’ireo nanendaka azy. Avy amin’izany indrindra koa no nanaovana ny hetsika.

Saika ireo toerana mafana sy be mpanendaka no nanaovana ny hetsika : Ankorondrano Andranomahery, Analamahitsy, Ampefiloha Ambodirano sy ny hafa tsy voatanisa…

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser