- Publicité -
dimanche, décembre 21, 2025
AccueilFaits-DiversAnkorondrano-Andranomahery : Tovolahy iray niharan’ny daroka

Ankorondrano-Andranomahery : Tovolahy iray niharan’ny daroka

Omaly efa hariva tany amin’ny 5 ora tany ho any, tovolahy kely iray tokony ho eo amin’ny 16 taona eo no notaritarihan’ny olona. Voalaza fa nangalatra izy io. Nandà mafy izany anefa izy. Nosamborina izy io ary nisy nitondra tany amin’ny polisy eny an-toerana. Tsy nety nandray azy anefa ny tao satria tsy ampy taona. Nanorohevitra ireo ny hitondrana azy eny Tsaralalana. Noho ny hatezeran’ny mponina, nisy ireo nidaroka azy avy hatrany. Ireo izay nahita izany dia samy nilaza fa tsy olona monina eny amin’iny fokontany iny ity ankizilahy ity fa avy any amin’ny toeran-kafa mihitsy.

Fa ankoatra izany, mirongatra ny hala-botry eny Ankrondrano Andranomahery. Tamin’ny talata teo, nisy fivarotana kely roa voaroba. Tsy dia zavatra manao ahoana no very tao fa vilany sy kojakoja madinika sy zavatra hafa. Samy manamarika ny mponina fa tamin’izany, fantapantatra ihany no nanao ireo halatra ireo. Maro ireo efa niteny tamin’ilay mpangalatra tsy hamerenany heloka. Voalaza mantsy fa vao avy any am-pigadrana ilay ahiana ho nahavita izany.

Nangonin’I r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser