- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAnkorondrano : « Bar » natao ho fivarotan-drongony

Ankorondrano : « Bar » natao ho fivarotan-drongony

Hiaraha-mahalala tokoa ny firongatry ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina amin’izao. Ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena manokana dia manao ny ady atao amin’izay ho vain-dohan-draharaha, ary tsy mitsahatra mikaroka ireo mpanao ratsy, fanetriben’ny firenena. Ny herinandro lasa teo dia fantatra fa mpivady iray, tompona toeram-pisotroana tetsy Ankorondrano no nosamborin’ny pôlisy avy eo anivon’ny SUT. Ity toeram-pivarotana ity, ankoatry ny maha- « bar » dia voalaza fa ivon-toerana fivarotana rongony ihany koa, araka ny vaovao azon’ireo mpitandro filaminana. Vantany vao nahazo ny fanomezam-baovao moa izy ireo dia nidina avy hatrany teny an-toerana, nanao ny fanaraha-maso sy ny velam-pandrika tamin’izany toerana izany. Inona tokoa fa tsy niandry ela akory, dia tra-tehaka ambodiomby ireo tompon’ilay « bar » nanome fonosan-javatra ho an’ny lehilahy iray nividy zavatra tao aminy. Rehefa nopaingorina ity farany dia hita teo fa rongony ao anaty fonosana ilay izy. Tamin’izay fotoana izay ihany moa, taorian’ny fahazoan-dalana azon’izy ireo dia niroso tamin’ny fisavàna ny toeram-pivarotan’ireto mpivady ireto izy ireo. Tra-tehaka tao aminy ny rongony efa vita fono sy vono-kamidy, nahatratra hatrany amin’ny efa-jato fonosana mahery kely tany ho any. Tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany dia nentina nihazo ny biraon’ny pôlisy ireto farany, niaraka tamin’ilay lehilahy iray fanintelony, tra-tehaka teo am-pividianana izany zava-mahadomelina izany. Ny vokatry ny famotorana nataon’ireo tompon’andraikitra no nahafantarana fa izy ireo no tompon’antoka amin’ny fanaparitahana rongony eny amin’iny faritra iny ary isan’ireo mpamatsy ireo mpidoroka sy irakiraka madinika mpivarotra « entana » eny an-toerana. Heverina ho mbola misy tambazotra lehibe ao ambadik’izy ireo, hoy hatrany ny fanazavana azo, izay mpamatsy sy fangalàn’izy ireo, ireto rongony hamidiny ireto. Mbola mitohy araka izany ny fanadihaidana ataon’ireo pôlisy. Izy telo ireto kosa dia efa natolotra ny Fampanoavana ary nampidirina am-ponja vonjimaika.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici