Raha vao maizina ny andro, feno mpanendaka ny làlana Ankorondrano. Omaly tokony ho tamin’ny 8 ora mahery kely, bandy dimilahy no nibeda mpandeha an-tongotra iray. Tsy afaka nihetsika ilay olona ary voaharona ny paosiny rehetra. Very tamin’izany ny telefaonina tany aminy. Raha vao avy nahazo izany ireo olon-dratsy dia lasa tsy taitra nihazo ny elanelantrano mandeha miatsinana ho any Manjakaray. Mbola misy olona ihany ny lalana, saingy ankeviny noho ny tahotra dia tsy nisy sahy nanampy. Tsy vao izao no niseho ny endaka tahaka io omaly io, fa efa im-betska mihitsy. Misy aza moa, vao tamin’ny enina ora hariva dia efa voan-dry zalahy. Araka ny hita, andian-jatovo no tena manao ity asa fanendahana ity. Ankevitry ny efa tilian’izy ireo izay mandeha irery, dia sahy ry zalahy. Eo amin’ny toerana fiandrasana taxi-be matetika no famelezany. Tsy lavitra eo mantsy no misy lalankely ahafahan’izy ireo mandositra haingana any amin’ny toerana maizina, miankandrefana na miatsinana. Tsy dia ahoan’ireo bandy ireo ny fisian’ny mpiambina amin’ireo orinasa manodidina.
r.s.