- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAnkorondrano : Fiara latsaka tao anaty lakan-drano

Ankorondrano : Fiara latsaka tao anaty lakan-drano

Ilay fiara niharan-doza (sary : Kelly R. )

Fiara fampiasan’ny orinasa tambazotram-pifandraisana iray no niharan-doza omaly hariva raha iny nihazo ilay lala-manitsy, manaraka ny lakan-drano avy any Tsaramasay sy Ankorondrano iny. Voalaza mantsy fa niala môtô nifanena taminy ity farany ka niala ny lalana. Ary nilatsaka avy hatrany tao anatin’ilay lakan-drano. Tsy nisy ny aina nafoy, raha ny vaovao azo teny an-toerana, saingy olona iray teo amin’ny fipetrahana aloha no nisy faharatrana ary efa nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana. Efa tazana teny an-toerana, nijery ifotony ny zava-nisy ny pôlisy na ny teo anivon’ny PPA Ankorondrano na ny « BAC » izay heverina fa hanokatra ny fanadihadiana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici