- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAnkorondrano : Fisolokiana varotra basy, 5 mianadahy voasambotra

Ankorondrano : Fisolokiana varotra basy, 5 mianadahy voasambotra

Ny 21 jiona teo no tratra ireo olona 5 ka vehivavy ny iray. Mpisandoka ireto olona ireto ary olona tsara sitrapo no nampandre ny polisy misahana ny heloka bevava sakelika faha 5 . Heno araka ny vaovao fa misy olona mitady mpividy basy eny Antanimena. Natao avy hatrany ny vela-pandrika teny Ankorondrano ka raikitra fa eny no hanaovana ny fotoanan’ny mpividy sy ny mpivarotra, ary ny androtr’io ihany, tamin’ny 3 ora hariva. Avy hatrany dia nosamborina ireto olona 5 ary raikitra avy hatrany ny fisavana. Tsy nahitana basy izany anefa tany amin’izy ireto fa vola sandoka mitentina 128 000 ariary no hita tany amin’ny iray tamin’ireo lehilahy.

Ravim-bola 10 000Ar miisa 3, ravim-bola 5 000Ar miisa 8 ary ravim-bola 2 000Ar miisa 29. Nolazain’ity farany tamin’ny fanadihadiana natao azy moa fa hitany tao anaty sachet teny amin’ny fanariam-pako teny Anosibe Angarangarana ireo vola sandoka ireo ary saika hividianany finday.

Mikasika ilay fivarotana basy indray dia nambaran’izy ireo fa fisolokiana olona fotsiny no ataony fa tsy misy akory ilay basy. Hanaovany fotoana ilay olona liana amin’ny fividianana basy, ary eo no mandeha ny fifampiraharahana, ka rehefa raikitra dia lazainy fa tsy azo ilay basy raha tsy efa tapitra voaray daholo ny vola. Ka rehefa azo daholo izay vola ifanarahana fa vidim-basy dia homena fotoana indray ilay olona, ary eo izy ireo no manjavona amin’izay. Efa natolotra ny Fitsarana ny alatsinainy teo moa ireto mpisandoka ireto.

ALEM

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser