- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAnkorondrano : Lasa feno mpanendaka

Ankorondrano : Lasa feno mpanendaka

Amin’ny andro atoandrobe nanahary dia efa miasa ireo mpanao sinto-mahery eo an-toerana. Tsy vitan’izay fa mitazona antsy lava ary tena mandrahona. Vao omaly indray no nisy lasibatra, ramatoa iray izay nandalo teo an-toerana. Nisy nahita izany ary dia niezaka ny nanara-dia ary tsy nanaiky ny olona raha tsy azo ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Vetivety dia vory ny olona ary tonga koa ny mpitandro ny filaminana nanampy sy nitondra ilay mpanendaka any amin’ny biraony mba hanokafana fanadihadiana. Mbola sarona ilay zava-maranitra. Ankoatra ny olona mandalo dia isan’ny mitondra faisana ireo olona miasa amin’ireo orinasa maro eo an-toerana ka mandeha an-tongotra harivariva. Tsy lavitra ny fivarotan-dasantsy dia misy elakelan-trano izay matetika hitsoahan’ireo olon-dratsy. Mila jeren’ny mpitandro ny filaminana akaiky.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici