Ny fiainana tokoa ve no tena mihasarotra ka mahabetsaka ireo very saina, sa efa miparitaka loatra ireo zava-mahadomelina ka maro ireo tsy mahazaka ? Tsy vitsy angamba ireo mpampiasa lalana, nanomboka vao nirotsaka ny haizina, teny amin’iny faritra Ankorondrano iny, no nahamarika lehilahy, manodidina 35 taona eo ho eo, mihazakazaka eny anaty arabe, ary miezaka miala ireo fiara mandalo. Toa ireny mpilalao baolina lavalava ireny mihitsy na ny fihetsiky ny tanany, na ny fomba fialàna amin’ireo fiara mandalo. Ny faran’ny herinandro teo no nisian’ity tranga hafa kely ity. Tsy hitan’ireo mpamily fiara akory ity lehilahy ity, mipoitra tampoka avy anaty maizina avy any. Soa ihany, asa raha samy efa mailo tamin’ilay lozam-pifamoivoizana nitranga vao tsy ela akory teny an-toerana ireo fiara nandalo ka somary nampihena avokoa ny hafainganam-pandehany. Fa resaka tranga hafakely vokatry ny tsy fahazakàna fiainana izay hatrany, lehilahy iray ihany koa no nandidy teo imason’ny olona teo ny filahiany, teny amin’iny faritra Ambodivona iny. Nolazainy tamin’izany fa toa hoe misy biby ao anatiny ka tsy maintsy tapahiny. Nambaran’ireo manodidina fa salama saina tsara ity lehilahy talohan’ny nanaovany ity fihetsika hafahafa ity. Toa misarika ny sain’ireo tompon’andraikitra ihany ny amin’izany zavatra rehetra izany, handray andraikitra manoloana ireo marary saina manemitra ny araben’ny renivohitra.
m.L



