- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkorondrano : Lehilahy nahatrarana basy vita gasy

Ankorondrano : Lehilahy nahatrarana basy vita gasy

Nikasa handeha hanafika ranamana no tojo ireo pôlisy mpanao fisafoana. Tsy afa-niala intsony, ary mbola tratra teny aminy ireo fitaovam-piadiana saika hampiasainy amin’izany. Tranga niseho tetsy Ankorondrano ny alahady lasa teo.

Imason’ny toe-draharaha pôlitika tsy dia milamina loatra eto amintsika izao dia mety hanararaotra ihany koa ireo jiolahy. Antony hisian’ny fisafoana tsy tapaka ataon’ireo eo anvion’ny mpitandro filaminana, anaty elakelan-trano isan-karazany rehetra any, hisorohana mialoha izay asa ratsy izay. Ny tolakandron’ny alahady lasa teo, lehilahy iray hafahafa fihetsika no nanintona ny mason’ireo pôlisy mpanao fisafoana avy eo anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahavalo, tetsy Ankorondrano. Rehefa nanatona avy hatrany ity farany dia rafitra nitsoaka ity lehilahy ity. Tsy namelan’ireo pôlisy anefa, fa dia raikitra ny fifanenjehana, nihazo iny elakelan-trano rehetra teny Ankorondrano iny. Nony farany, « tratra teny amin’ny elakelan’trano teny akaikin’ny Codal » izy io, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena. Rehefa natao ny fisavàna dia nahitàna basy poleta vita gasy tany aminy, niaraka tamin’ny antsy. Azo heverina avy hatrany fa tsy maintsy handeha hampiasainy amin’ny asa ratsy izany fitaovam-piadiana nentin-dranamana nandehandeha izany. Nentin’ireo pôlisy nihazo avy hatrany biraon’ny PPA Ankorondrano moa ity lehilahy ity ho amin’ny famotorana azy. « Niaiky tanteraka izy fa nikasa hanao fanafihana » tao anatin’izay famotorana natao azy izay, hoy hatrany ny fampitam-baovao azo. Notanana natao andrimaso any amin’ny biraon’ny pôlisy moa ity lehilahy ity mandram-piandry ny fanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana. Tsy nijanona tamin’ny fisamborana ity farany koa ireo mpitandro filaminana fa nilaza ny mbola hanohy ny fanadihadiana, hahafantarana izay mety ho namany sy ireo mpiray tendro aminy tamin’izany ary ny loharano niavian’ity fitaovam-piadiana ity.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici