Halatra sy fitaka avo lenta ! Lehilahy iray manodidina ny 35 taona teo ho eo no nangalatra fiarakaretsaka 4L, tetsy Ankorondrano, ny talata lasa teo. Hay tetik’ady fotsiny iny, nentiny nangalarany môtô iray tetsy Analamahitsy, omaly. Araka ny fitantaran’ny tompon’ny fiara dia nandray olona teo Ankorondrano ity fiarakaretsaka ity omaly. Lehilahy somary lava, zarazara hoditra, io mpandeha io. Nony tonga teo amina trano fivarotana lehibe iray dia nasainy nivoaka hividy zavatra ho azy ilay mpamily. Tsy nanam-po na inona na inona, ka dia nanaiky tokoa ity farany sady akaiky rahateo ilay toeram-pivarotana. Tamin’izany fotoana izany no nentin’ity lehilahy ity nitsoaka ilay taxi. Taraiky tao anatin’izany ny taratasin’ny fiara sy ny findain’ilay mpamily. Nitondra fitarainana avy hatrany teny amin’ny mpitandro filaminana ity tompon’ny fiara ity. Tetsy andanin’izay anefa, omaly, nisy olona very môtô teny Analamahitsy. Voalazan’ity farany fa nitondra fiarakaretsaka ilay mpangalatra tamin’izay fotoana izay ary saika hividy an’ilay môtô. Nilaza fa handeha hanandrana an’ilay môtô izy tamin’izay fotoana izay, ary hoe hapetrany eo ilay fiarany. Natoky ihany koa ity olona ity kanefa tany dia tsy hita ilay lehilahy. Nogiazan’ity olona very môtô avy hatrany ilay fiara ary nilaza teny amin’ny mpitandro filaminana ity farany. Nitranga ny teti-dratsin’ity mpangalatra tamin’izay fa hay io fiarakaretsaka nentiny io ilay fiara nangalarany tetsy Ankorondrano. Naverina tamin’ny tompony ilay fiara. Efa mandeha kosa amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana sy ny fitadiavana an’io olon-dratsy io.
m.L