- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAnkorondrano : Lehilahy nodomina fiara tao anaty fiampitàna

Ankorondrano : Lehilahy nodomina fiara tao anaty fiampitàna

Nandriaka indry rà teo Ankorondrano omaly hariva. Lehilahy iray, izay manodidina ny 35 taona teo ho eo no naratra mafy rehefa voadonana fiara kely iray. Raha ny voalazan’ireo nanatri-maso dia tao anatin’irony faritra fiampitàna irony ity lehilahy ity no nofaohin’ilay fiara. Tany amin’ny 20 metatra tany ho any ity farany vao tafajanona, raha tany amin’ny 30 metatra tany ho any kosa ilay rangahy voadona. Mafy ny fifandonana izay hita taratra teo amin’ny fitaratr’ilay fiara. Vokatr’izay, naratra mafy ilay rangahy voadona : tapaka ny tongony ary vaky ny lohany. Nitsirara efa tsy nahatsiaro tena intsony izy no nentin’ny fiara iray sendra nitsetra sy namonjy azy tany amin’iny toeram-pitsaboana. Nanaraka azy tany ihany koa ilay mpamily nahadona azy, raha najanona teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza ilay fiara. Tazana teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy sy niezaka nandamina ny fifamoivoiana moa ireto mpitandro filaminana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici