- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025
AccueilFaits-DiversAnkorondrano : Lehilahy nodomina taxibe 194, nitsoaka ny mpamily

Ankorondrano : Lehilahy nodomina taxibe 194, nitsoaka ny mpamily

Namonto ny arabe ny rà omaly hariva tetsy Ankorondrano. Rangahy iray tokony ho 50 taona any ho any, no naratra mafy, raha nodomin’ny taxibe « sprinter », mampitohy an’Andranomena sy Mausolée, tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany teo ho eo, manandrify ny orinasa mpanodina voankazo iray teny an-toerana. Noho ny tahotra an’ireo olona efa nitangorona maro dia nitsoaka ary tsy hita izay nalehan’ilay mpamily nahavanon-doza. Araka ny fantatra dia handeha hiampita ilay rangahy tamin’io fotoana io no nipoitra tampoka avy any ilay 194. « Teo amin’ny faritra natao hiampitana izy izao tra-doza izao. Efa nisy fiara iray nahita azy niampita ka dia nijanona nanome lalana, fa ilay taxibe no nisososo avy any. Tsy nieritreritra ny hijanona mihitsy ary tsy nanitsaka hisatra akory », hoy ny fitantaran’ny olona nanatri-maso teny an-toerana. Any amin’ny 30m miala ny faritra nandomany vao tafajanona ilay fiara. Voa ary tafapitika teny amin’ny sisin’arabe kosa ilay voadona, izay araka ny filazan’ireo teny an-toerana hatrany dia voa teo amin’ny lohany, ary tapaka ny tanany. Nandriaka tanteraka ny rà teo amin’ny arabe. Efa tsy nahatsiaro tena intsony ity lehilahy ity, no novonjena haingana tany amin’ny hôpitaly. Hatramin’ny ora nanoratanay kosa dia tsy hita izay tany nanjavonan’ilay mpamilin’ity taxibe 194 ity nitsoaka.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici