Mainty tanteraka ny lanitra teny amin’iny faritra Akorondrano sy ny manodidina iny omaly. Nijoalajoala ny afo, nandevona ny trano lehibe iray teny an-toerana. Orinasa dimy no indray lasa lavenona, ka anisan’izany ny trano nisy onjam-peo sy fahitalavitra I-BC.
Ambonin’ny ora-mikija sy ny rivotra nifofo izay naharitra minitra vitsy monja, ka nahatonga fitohanana lavareny sy fikorontanana teo amin’ireo olona maika hamonjy fodiana, soamaritaka tsy misy toa izany ihany no nitranga tetsy Ankorondrano. Trano lehibe iray, mampiantrano orinasa eo amin’ny dimy eo no nataon’ny afo kilalao tao amin’ny “village de jeux”. Anisan’ny iray tamin’ireo orinasa ireo ny foibe toeran’ny onjam-peo sy ny fahitalavitra I-BC na “I-Broadcasting Company”, izay vao nandeha ho an’ny rehetra, ny volana aogositra lasa teo. Tsy nisy aina nafoy na ny naratra tamin’izany fahamaizana niseho teny an-toerana izany, raha ny tatitra azonay aloha hatreto. Na izany na tsy izany anefa dia tafiakatra an-tapitrisany maro dia maro ny teti-bidin’ireo entana levon’ny afo.
Fipoahana. Loza nateraky ny herinaratra na “court-circuit” no fantatra fa niandohan’ny afo. “Tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany teo ho eo no naheno zavatra nipoaka mafy izahay, avy ao ambadika. Vetivety teo dia nijolofotra ny setroka ary poa toa izay dia nijoalajoala ny afo” hoy ny mpanao gazety iray namana avy ao amin’ity fahitalavitra ity. Toerana fitobian’entana ana orinasa iray, mpamongady ireny “couche” ho an-jazakely ireny no ity “ao ambadika” voalazany ity. Noho izay fisiana entana mora nirehitra izay, niampy ny tosiky ny rivotra no vao mainka nampidedaka ny afo. Raha ny tao amin’ity fahitalavitra ity manokana, araka ny voalazan’ireo mpiasa tao ihany, dia saika tsy nisy afa-tsy fanaka vitsivitsy sisa no tavela tao. “Saika efa tafavoaka mialoha, raha vao nirehitra monja ilay efitra tao ambadika ny ankabeazan’ny entana”. Ho an’ireo orinasa hafa kosa dia saika tsy nisy noraisina intsony ny entana rehetra. Efa tapitra nirava avokoa mantsy ireo mpiasa rehetra tao amin’io toerana io tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza.
Tsy voafehy. Minitra vitsy taorian’ny nitrangan’ny loza no tonga teny an-toerana ireo mpamonjy voina sy ny mpitandro filaminana. Nampano sarotra tokoa ny namono sy ny nifehy ny fahamaizana noho ny hamafin’ny rivotra. Ao anatin’ny ampaham-potoana kely monja dia efa nihanaka eran’ny efitra rehetra ny afo ary nijoalajoala nanakatra ny lanitra ny lela afo. Aty amin’ny 50 metatra miala ilay toerana dia efa mahamay. Tsy azo iainana ihany koa ny rivotra, izay mahasempotra tokoa noho ireo akora simika miparitaka sy main’ny afo. Natahorana ihany koa ny herinaratra teny an-toerana. Efa nitselatselatra mantsy ireo tariby mpitondra herinaratra mahery vaika. Nipoaka ihany koa ny iray tamin’ireo “transformateur” teny an-toerana, izay nampisahotaka ny olona. Efa fotoana ela taty aoriana vao fantatra fa notapahan’ireo tompon’andraikitra ny jiro. Hatramin’ny ora nanoratanay dia mbola tsy maty tanteraka ny afo tao amin’ity trano lehibe ity. Efa tsy natahorana hihanaka intsony kosa anefa izany, raha ny fanazavana azo. Amin’ny trangan-javatra toa itony, dia tsy lavitra eo ireo mpanakorontana sy mpanararaotra. Efa nanomboka nihamarobe ireo olona tonga teny, ary nanomboka ny horakoraka sy siotsioka, saingy tsara ambin’ireo mpitandro filaminana ny toerana ka tsy tanteraka aloha izay fikasan-dratsin’ny sasany izay.
m.L