- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAnkorondrano : Moto nofaohin’ny taxi, nisy naratra mafy

Ankorondrano : Moto nofaohin’ny taxi, nisy naratra mafy

Manodidina ny tamin’ny valo ora alina no nitranga ny lozam-pifamoivoizana izay nandratra olona. Raha ny filazan’izay nahita dia moto scooter izay avy Ankazomanga ny lalany, ary raha hiditra teo amin’ny fihodinana mifanandrify orinasa Fraise no nofaohin’ny taxi iray. Tapapitika lavitra ilay kodiaran-droa ary nijanona teo ambonin’ny fandehanan’ny mpandeha an-tongotra ny potiny. Vetivety dia nitangorona ny olona izay mbola nisy ny nifamezivezy, indrindray izay mipetraka eo amin’iny fokontanin’Ankorondrano iny. Noentina haingana tany amin’ny hopitalin’ny Hjra ilay lehilahy naratra mafy. Isan’ny nahavoa mafy ny lohany ny tsy nanaovany aroloha tamin’io fotoana io. Loza roa izany no nitranga ary saika nitovy ny fitrangany. Ny iray tetsy amin’ny By-pass (jereo lahatsoratra etsy ankila) ary ny iray dia io teo Ankorondrano io. Mitovy satria fiara sy scooter  no nifandona ary samy naratra mafy ny mpandeha moto. Isan’andro no misy toa izany eto Antananarivo ary saika mitovitovy avokoa ny fitrangany. Ny toerana fotsiny angaha no mety miovaova. Sao mba tokony mila taratsy fahazoana manamory amin’izay ny scooter ary koa tsy avela hoentin’ny olona tsy ampy taona ?

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici