Haingana ny mpanao ratsy mitady zava-baovao mba hanamoràna ny halatra fanaony. Tao anatin’ny roa andro izay dia olona roa no nataony lasibatra teo Ankorondrano sy ny manodidina. Ny voalohany dia ilay mizotra any amin’ilay sampanana ho any amin’ny kianja mitafo. Tokony ho tamin’ny efatra ora tolakandro ny alakamisy teo, nojeren’izy ireo tsara izay moto mandeha mafimafy. Mipoitra tampoka ireo ary manao voadona. Ny mampianjera ny moto no tanjona eo. Raha vao latsaka amin’ny tany ny mpanamory dia avy ny naman’ireo mpanao ratsy hafa ary raha misy olona mahita dia mody mijoro vavolombelona ireo. Izany hoe ny fanaratsiana ilay mpandeha moto no tanjona, toy ny hoe « nandeha mafy loatra…efa fanaony ny toy izao sns ». Rehefa izany ary dia ny sasany mody manisaka ny moto maka sisiny kanefa efa manomana ny hitondràna an’io mitsoaka. Ny sasany kosa efa misintona ny kitapo eny amin’ilay olona. Matetika mantsy no mitondra kitapo ny mpandeha moto mba hametrahana ny entan-keliny. Soa fa betsaka ny mbola nifamezivezy tamin’ity indray mitoraka ity ary nahatsikaritra fa tetika hafahafa saika hataon’ireo olon-dratsy. Vetivety dia vory ny manodidina ary lasa nitsoaka ireo mpandroba izay nenjehina indray aza. Omaly indray, teo Alarobia, tsy mifanalavitra ny toeram-pitsaràna fiarakodia, dia mbola nisy tranga mitovy tanteraka. Io indray dia amin’ny andro antoandro tokony ho tamin’ny efatra ora tolakandro. Izany hoe ora mitovy amin’ilay tranga voalohany. Nianjera tamin’ny tany koa ny mpitondra moto noho ny antony mitovy. Soa fa betsaka ny nahafantatra azy teo amin’ny manodidina ary ireo no nanavotra azy. Ny olona rahateo nahafantatra avy hatrany ny tarehin’ireo olon-dratsy ary nanamarina fa efa fanaony ny mody voadona. Nitsoaka ireo olon-dratsy rehefa hitany fa sarona ny fikany. Taorian’ny mody mamo dia manao voadonan’ny fiara izany dia izao koa misy ny mody manao voadonan’ny moto ary manendaka avy eo. Mitady fomba hatrany ny olon-dratsy ary i dia mila hain’ny mpitandro ny filaminana koa izany fika ratsy izany mba hahafahan’izy ireo mamelatra vela-pandrika. Tranga roa ao anatin’ny fotoana fohy, mila jeren’ny polisy akaiky…
D.R