- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkorondrano : Mpanendaka telolahy nifanenjehan’ny olona

Ankorondrano : Mpanendaka telolahy nifanenjehan’ny olona

Soa ihany fa nahay niray hina ireo nahita ny tranga ka rafitra nanenjika ireo mpanao ratsy avy hatrany. Raha tsy izay dia efa natao nampamangy ny finday avo lenta maromaro niaraka tamin’ny vola. Tranga niseho tetsy Ankorondrano, tsy lavitra ny fiviliana ho an’ny Water Front Ambodivona iny, tokony ho tamin’ny folo tany ho any. Tsy tahotra tsy henatra akory fa dia antoandro be nanahary no nanao ny asa ratsiny ireto tontakely. Telolahy izy ireo, hoy ny fitantaran’ilay niharam-boina, izay avy hatrany dia teny amin’ity farany no sady niezaka nisintona ilay harona, nisy ny poketra nisy vola sy finday. Somary lava sy ranjanana ihany ity lasibatra ity ka niezaka ny nanohitra, saingy poa toa izay ny fandavon’izy telolahy ilay rangahy, hianjera amin’ny tany. Vantany vao nianjera ilay rangahy dia nalain’izy ireo mora foana ilay harona. Tamin’io fotoana io no niantso vonjy ity lasibatra ary rafitra nanenjika azy telolahy ireo nahita. Niezaka nitsoaka saika hihazo an’ilay elakelan-trano mivoaka any Ambodivona izy ireo no tsy namelan’ireo mpanenjika ka hany herin’izy ireo dia nanipy ilay harona teny am-pelatanany, ary niporitsaka tsy hita nanjavonana intsony. « Vaky ilay thermos sy ny kaopy tao anatin’ilay harona, saingy ny zava-dehibe dia ilay poketra nisy finday sy vola, tsy lasan’ireo tsy valahara » hoy ilay rangahy, tafapetraka, sempotra, teo amoron-dalana. Nahitàna mangana sy ratra ny tanany sy ny tongony, noho ny fianjerana nahazo azy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici