- Publicité SW45 -
samedi, septembre 28, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkorondrano : Mpanendaka tsy afa-niala intsony, voadarok’ilay saika ho lasibatra

Ankorondrano : Mpanendaka tsy afa-niala intsony, voadarok’ilay saika ho lasibatra

Ela nitoratorahana, hoy ireo nanatri-maso. Omaly hariva, tovolahy iray no tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsiny, raha nikasa ny handeha hanendaka lehilahy iray tetsy Ankorondrano, tsy lavitra ny lalana mivily mankany amin’ny Water Front Ambodivona iny. Tamin’io fotoana io, tsy nampoizin-dranamana velively fa efa nandrasan’ilay saika ho lasibatra fotsiny izy, hanao ny asa ratsiny. Tratry ny tampoka sy kendritohina ka tsy afa-niala intsony ary voatotona tamin’ny tany. Naratra vokatr’izay dona mafy nahazo azy izay ilay tontakely ka noraisim-potsiny. Nihorakorahan’ny olona ary nentina nihazo ny mpitandro filaminana. Araka ny angom-baovao, nolazain’ireo nanatri-maso teny an-toerana dia toa hoe efa nisy nanendaka ny vadin’ity rangahy ity. Izy indray avy eo no saika hiverenenan’ireo  olon-dratsy hatao amin’ny fanaovana azy, kanjo nifamadika ny rasa dia izao noraisim-potsiny izao aloha ny iray.

Tato ho ato izay, lasa tokontany filalaovan’ireo tontakely raha iny faritra Ankorondrano iny. Vao tsy ela akory izay, andro antoandro be nanahary no lasibatr’izay fanendahana izay ny vehivavy iray, handeha hanatrika « entretien », tetsy amin’ny sampanana mizotra mihazo an’Andranomahery iny. Voasintona tamin’izay ny finday teny am-pelatanan’io vehivavy io ary nitsoaka toy ny tsy teo nihazo an’iny lalana mankany Antanimena iny ilay tontakely. Torak’izay ihany koa, araka ny voalazan’ireo mponina eny an-toerana,  matetika dia misy lasibatry ny mpanendaka foana eo amin’io sampanana mihazo an’i Water Front io. « Efa arahan’izy ireo avy any ilay ho lasibatra, ary hihantsampazan’izy ireo avy hatrany, raha vao tafavoaka ny vavahady, hihazo ny araben’Ankorondrano iny. Mitsoaka mihazo ilay elakelan-trano ao ambadika ao izy ireo avy eo, ary tafaporitsaka fa tsy hita ho henjehina intsony ».

m.L

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici