- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkorondrano : Mpitondra moto notetezin’ny fiara

Ankorondrano : Mpitondra moto notetezin’ny fiara

Omaly alina tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany, olona iray eo amin’ny 50 taona eo no nodomina fiara iray avy any aoriana, tetsy Ankorondrano manoloana ny biraon’ny fokontany. Naratra mafy tokoa ilay olona ary voalazan’ireo izay nahita fa ahiana ny momba azy. Tamin’io ora voalaza io, notrongisin’ny fiara “fourgonnette”  miloko fotsy ilay nitondra moto. Nianjera tamin’ny arabe izy. Tsy nijanona anefa ilay fiara fa lasa nanohy nandositra. Somary maizina ilay toerana ka nisy fiara hafa avy aty aorina tonga dia nanitsaka ilay olona nitsirara teo amin’ny lalana. Tsy vitan’izany fa mbola nisy fiara fahatelo nanitsy ary dia mbola nitety ilay olona lavo amin’ny tany ihany. Tsy nijanona ihany koa io fahatelo io, araka ny filazan’ireo nanatri-maso.  Nisy olona tonga saina teo an-toerana nanakana ny fiara fahefatra mba tsy hanitsaka ilay olona intsony. Naratra mafy tokoa izy ary teo no ho eo ihany dia nosakanana ny taxi nandalo hanatitra azy any amin’ny hopitaly. Ny moto nentina kosa nampidirina tao amin’ilay orinasa tsy lavitra teo.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser