Afak’omaly alina tokony ho tamin’ny 9 ora teo, no raikitra ny ady tamin’ireto mpivady ireto . Araka ny loharanom-baovao voaray, dia miompy akoho amam-borona izy ireto , ka nisy very ny iray teo amin’ireo akoho, teo no nitarika ny ady. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa toa efa mamo rangahy. Nisy ny fikasihan-tànana ary naratra ilay vehivavy. Ankoatra izany, nivazavaza sady namono ny vadiny, fa hoe tsy miambina ny entana izay ao an-trano ramatoa. Nitangarona ny fokonolona , na dia efa alina aza ny andro. Nitsoaka ilay ramatoa niaraka tamin’ny zazakely sy ny ankizy. Voalaza fa tamin’izay fotoana izay, nahita afo be ilay vehivavy ary niverin’ilalana. Ny entana tao an-trano no nirehitra, nodoran’ilay lehilahy. Anisan’izany ny fitafian’izy efatra mianaka.
FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)


