- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAnkorondrano : Namoy ny ainy ilay rangahy voadonan’ny taxibe 194

Ankorondrano : Namoy ny ainy ilay rangahy voadonan’ny taxibe 194

Tsy tana intsony ny ain’ilay rangahy voadonan’ny taxibe 194, ny alin’ny alarobia teo, teny amin’iny faritra Ankorondrano iny. Nezahina nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana ny tenany saingy, indrisy fa tsy avotra intsony noho ny habetsaky ny rà very. Raha tsiahivina, dia handeha hiampita ary tao anatin’ny faritra natokana ho an’izany izy no nodonin’ny fiara taxibe 194, izay tsy nahalala ny hijanona akory. Nipitika ary voa mafy teo amin’ny lohany ary tapaka ny tanan’ity rangahy 50 mahery ity tamin’io fotoana io. Nandositra avy hatrany kosa ny mpamilin’ilay fiara nandona, tahotry ny mety hifaharan’ny hatezeram-bahoaka teny an-toerana. Araka ny fanazavana nomen’ny pôlisy misahana ny lozam-pifamoivoizana dia nandeha namonjy biraon’ny pôlisy avy hatrany izy. Voatazona eny Tsaralalàna atao fanadihadiana moa amin’izao fotoana izao ity mpamily nahavanon-doza ity. Anio kosa no fantatra fa hatolotra ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici