Roa andro monja taorian’ny nahamay ilay ramatoa lehibe efa ho 80 taona tao an-tranony, fantatra izao fa nodimandry ny alin’ny alakamisy izy. Ny talata hariva lasa teo tokony ho tamin’ny 6 ora no taitra ny manodidina fa nirehitra ny trano nipetrahan’ity vehivavy ity, tetsy amin’ny fokontany Ankrondrano Andranomahery. Voalaza fa izy irery no tao tamin’io alina io fa ny olona miara-moinina aminy mbola tsy nisy tonga. Teo am-pikarakarana sakafo ireto mpivady mpifanolo-bodirindrina aminy no nahita voalohany ny afo sy ny setroka nivoaka avy ao amin’ilay trano. Taitra ry zareo ary avy hatrany dia nampiasa ny rano tao aminy nanondrahana ilay trano may. Efa tena nahazo vahana anefa ny afo ka tsy nahomby firy izany. Raikitra ny antso eran’ny tanàna ary dia samy nandray izay sendra ny tanany ny rehetra nentina nakana rano tamin’ny tatatra. Afaka fotoana fohy, tonga nanampy ny fokonolona ny orinasa iray tsy lavitra teo nanondraka tamin’ny fantsona ny fahamaizana. Nisy ihany koa ireo niantso ny mpamono afo avy etsy Tsaralalana. Vetivety ihany ireto farany dia tonga. Rehefa maty ny afo izay vao natao ny fitadiavana an’ilay ramatoa. Tafasitrika tao amabany hazo izy ary nieren-doza tamin’io fotoana io. Na izany aza, nisy ampahany misimisy tamin’ny vatany may. Nentina haingana tany amin’ny hopitaly. Rehefa nahazo fitsaboana avy any dia nody. Voalaza fa tsy mbola sitrana ilay faritra may. Izany no voalaza fa nitarika ny fahafatesany. Hatramin’izoa, tsy fantatra marina ny nahatonga ny fahamaizana. Tsy hay na nandrehitra afo saika hahandro sakafo ilay vehivavy, nefa tsy voatandriny tsara izany, na jiro nianjera.
r.s.