Tamin’ny fiandoan’ny herinandro, nirefotra ny basy teny Ankrondrano Andrefana. Taitra avokoa ny manodidina nahare izany ary izay rehetra efa tany ivelany lasa nandositra nanavotra aina avokoa. Tamin’ny alina io, ny alatsinainy tokony ho tamin’ny 11 ora, nisy andian’olona voalaza fa dimy tonga tao amin’ny fivarotana saribao iray teny Ankrondrano Andrefana. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa, naka saribao iray gony ry zalahy ary lasa nandeha. Nisy nahare izany ary ny tompon’ny entana koa nitabataba. Nanomboka nivoaka ny manodidina. Afaka minitra vitsy anefa, niverina indray ireo andian’olona. Avy hatrany dia nambanany basy ilay mpivarotra ary notakiany vola. Noho ny tahotra, voalaza fa nanome izany izy ireo. Ny olona etsy andaniny, efa mitangorona. Tamin’izany no nandrenesana feom-basy, natao tifi-danitra nentina nanaparitahana azy ireo. Lasa nilefa avokoa izay teny an-toerana. Rehefa izany dia ireny ireo mpangalatra nihazo an’Ankorondrano Atsinanana. Talohan’izany araka ny loharanom-baovao hatrany, dia fantatra fa nisy mpivarotra saribao hafa koa efa norobain’ireo jiolahy teny amin’iny faritra iny ary nahazoany vola koa.
Rehefa teny Ankorondrano Atsinana, mbola mpivarotra saribao ihany koa no norobain’ireto olona ireto. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa, nanonona anaran’olona izy ireo tamin’izany sady nitaky vola. Nisy nikasa ny hanohitra azy ireo anefa ka avy hatrany dia niharan’ny daroka ary naratra. Efa mandeha ny fikarohana an’ireto bandy ireto amin’izao fotoana izao. Vaovao voaray avy eny amin’ny olona tsara sitrapo no ilazana fa toa hoe, mipetraka eny amin’ireo faritra roa ireo ihany ireto mpandroba ireto.
r.s.