
Voatery tsy maintsy nandray fepetra ihany ny polisy manoloana ilay mpitaingina kodiaran-droa. Io farany dia nenti-po noho ny fahatongavan’ny andro hilalaovan’ny Barea. Tapa-kevitra izy ny nanala ny akanjo ambony ary nanisy loko samihafa izay isan’izany ny sainam-pirenena, tamin’ny tenany. Toraka izany koa, nasiany tandron-komby ny teo amin’ny lohan’ilay kodiaran-droa. Ary tsy nijanona teo fa mbola tsy nanao aroloha koa izy. Ny lohany rahateo dia feno loko sainam-pirenena. Nandalo teo Ankorondrano omaly tolakandro raha saika hihazo an’i Mahamasina. Teo dia nosakanan’ny polisy ary nosavaina ny taratasin’ny kodiaran-droa. Nahazo sazy fampitandremana mifandraika amin’ny tsy fanaovana aroloha sy ny tsy fanaovana fanamiana mifandraika amin’ny fitondràna kodiaran-droa ilay lehilahy.
D.R