Hafakely tanteraka ny zava-niseho. Nisy taxi-be zotra 163 iray izay nolazain’ny pôlisy fa nanao fandikan-dalàna mikasika ny fifamoivoizana. Nenjehan’izy ireo tamin’ny moto ka teo Ankorondrano, manoloana ny fiangonana lehibe Jesosy Mamonjy no tratra. Nosakanana ary nasaina nivoaka ny mpamily. Teo amin’izay no samihafa ny fanazavana azo. Ny pôlisy nilaza fa nofatorana tamin’ny rojovy ilay mpamily rehefa nivoaka ny fiara. Izany dia satria izy mbola namaly ihany, raha araka io fanazavana voalohany io. Omaly alina dia nanazava hatrany ny pôlisy fa avy nandona pôlisy amperin’asa tany Analamahitsy io taxi-be io dia nitsoaka. Rehefa nosakanana izy dia tsy nety nanome ny taratasin’ny fiara sady nandaka indray ireo pôlisy nangataka izany. Ny olona izay nahita indray dia nanambara fa nodarohana avy hatrany ilay mpamily raha vao tafavoaka. Ary tena naratra mafy mihitsy. Vokatr’izany aza dia voatery naiditra hopitaly izy omaly ihany. Niteraka ny hatezeran’ny olona izany ka nahatonga ireo saika hanimba ny fananan’ny pôlisy, dia ilay moto izany. Saika tsy voafehy ny zava-nitranga satria efa nisy namoaka lasantsy ary nanondraka izany tamin’ilay moto. Voatery niantso namana avy etsy Tsaralalàna ireo mpitandro ny filaminana. Tonga vetivety ny pôlisy avy ao amin’ny « Unité d’Intervention Policière » (UIR) ary ireo no namehy ny olona. Inona ny tena zava-nitranga ? Ny voalohany aloha, raha araka ny fitantarana azo hatrany, dia nisy fandikan-dalàna rehefa nandray olona ivelan’ny toeram-piantsonana ilay fiara fitaterana. Niovaova be ihany ny feo satria ny pôlisy indray, araka izay voalaza etsy ambony, dia nilaza fa nandona ny naman’izy ireo ilay taxi-be. Iny no nitarika ireo mpitandro ny filaminana nanenjika ilay fiara. Na izany na tsy izany dia tsy azo ihodivirana fa nisy ny fampiasan-kery. Tsy maintsy samy hiaro ny tenany ny roa tonta fa raha ny fijery mahitsy dia samy nisy fahadisoan’ny andaniny sy ny ankilany. Raha fandikan-dalàna mikasika ny fifamoivoizana mantsy, tsy misy lalàna manan-kery ahafahana mampiasa hery ho an’izay tompon’andraikitry ny filaminana. Na izany aza anefa, raha nitondra fitaovam-piadiana na koa mety hiteraka fandratràna ilay mpamily dia mety ho voamarina ny fampiasan-kery. Ny tsikaritra dia sarotra tanteraka ny mampihatra ny lalàna eto an-drenivohitra. Matetika dia mihoatra ary tonga amin’ny fanamparam-pahefana izany ary indraindray koa dia tsy afa-manoatra ny mpitandro filaminana noho ny fahafantaran’ny tompon’andraikitra olona ary miafara amin’ny baiko midina matetika. Tsy misy afa-tsy ny baranahiny ny fifangaroan’izany toe-javatra izany…
D.R