- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAnkorondrano : Olona roa nandeha môtô noraofin'ny polisy

Ankorondrano : Olona roa nandeha môtô noraofin’ny polisy

Mihamafy ankehitriny ny fampiharana ny fepetra ara-pahasalamana entina hiadivana amin’ny Covid-19. Tetsy Ankorondrano, omaly tokony ho tamin’ny folo ora sy sasany antoandro no nisy tranga iray izay nahavariana izay nahita. Olona roa, lehilahy sy vehivavy, izay nandeha scooter ary samy tsy nanao arovava no voasakan’ny polisy. Tsy fantatra mazava raha nisy fikasana ny tsy nijanona na koa antony hafa fa nisy fampiasan-kery ny nampidinana azy ireo teny ambony kodiaran-droa. Nobataina sy nosintonina raha araka ny fitantaran’izay nahita. Raha ny fihevitr’ireo olona sendra nandalo dia toa ireny olona efa nokarohina ireny izy roa ary hitan’ny mpitandro ny filaminana tampoka. Tsy izay mihitsy anefa ilay tranga fa kosa fampiharana ny fepetra momba ny tsy maintsy ampiasana ny arovava rehefa mandeha eny an-dalambe. « Hihamafy izany ato ho ato », raha araka ny fanazavan’ny polisy izay nanontaniana. Mazava ho azy fa noho ny fiakaran’ny antontan’isa momba ireo voan’ny Covid-19 izay tsy nitsaha-niakatra indray tao anatin’ny iray volana izay no anton’izany fanamafisana ny fepetra izany. Mihamafy ny fampiharana ny lalàna eny an-dalambe ary ny polisy rahateo dia tsikaritra fa manenjana avy hatrany satria tokony efa vita efa ela ny fanentanana. Tokony ho efa mahay miaina miaraka amin’ny Covid-19 arak’izany ny daholobe. Ny any ivelany, indrindra fa Eorôpa dia miverina mirongatra indray ny valanaretina ary mamono olona aman’aliny. Nahazo vahana izany amin’ny fiverenan’ny ririnina. Mbola handrasana ny mety ho fiantraikan’ny vakisiny any an-toerana raha tena hahomby na tsia. Ny zava-misy aloha dia mbola mitohy mamono ny Covid-19.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici