Mandravara indray ny tontakely fa vita fety. Orinasa lehibe telo indray no nasesin-dry zalahy norobaina sy notafihana omaly, teny amin’iny faritra Ankorondrano Andranomahery iny. Vokany, entana sarobidy maromaro, vola an-tapitrisany no lasan’izy ireo. Olona iray kosa no naratra, rehefa nokapain’ireo olon-dratsy tamin’ny sabatra, nandritry io tranga io hatrany. Tokony ho tamin’ny roa ora maraina tany ho any no nitranga ity fanafihana ity teny an-toerana. Tao amina orinasan-tserasera malaza iray no nanombohan-dry zalahy ny asa ratsiny. Niditra an-tsokosoko tao amin’ny tokontanin’ity orinasa ity ireo olon-dratsy ary avy hatrany dia niantsampy teny amin’ireo mpiambina roalahy, izay resy tosika avy hatrany. Nafatotr’izy ireo ireto farany ka tsy afa-nanao na inona na inona intsony. Nanararaotra araka izany ireto olon-dratsy nibata izay zakany tao amin’ilay orinasa. Fantatra fa lasa tamin’izany ny solosaina maromaro sy entana isan-karazany. Tsy nihanona tamin’izay anefa ireto jiolahy fa mbola nifindra tamina orinasa mpamokatra zava-pisotro teo akaiky teo. Efa niomana ny handray ireo fahavalo anefa ireo mpiambina. Nanao ny asany ary nanohitra hatramin’ny farany ireto jiolahy. Vaky nirifatra tamin’izany ireto farany, tsy nahazo n’inona n’inona. Nanampatra ny hatezerany tamina tranombarotra iray lehibe teo an-toerana indray izy ireo taorian’io. Niezaka ny nanohitra ny tompon’ity tranombarotra ity saingy ny an-dry zalahy no tonga aloha. Tsy nisalasala mantsy izy ireo nampiasa ny fitaovam-piadiana teny aminy. Naratra mafy voakapan’ny sabatra ny tanan’ilay tompon-trano. Nanao izay danin’ny kibony izy ireo avy eo nandroaka izay rehetra azo nentina. Vola an-tampitrisany araka izany no tetibidin’ireo entana very. Nisy tamin’ireo mponina teny an-toerana ihany no nahare ity trangam-panafihana ity saingy toa ny mahazatra dia tsy nisy sahy nivoaka izy ireo. Ny somary mahavariana dia misy mpitandro filaminana eo akaiky eo, saingy somary taraiky izy ireo vao tonga, nahafan’ireo olon-dratsy nanadio tanteraka ny rano nitàny. Efa mandeha amin’izao fotoana ny famotorana sy ny fikarohana ireto jiolahy ireto.
m.L