Niredareda indray ny afo tetsy Ankorondrano ny alatsinainy vao maraim-be lasa teo. Trano lehibe iray misy orinasa misehatra eo anivon’ny serasera no kila hotohoto tanteraka. Tsy nisy noraisina avokoa ireo entana rehetra tao anatiny. Tokony ho tamin’ny roa ora maraina tany ho any no nitranga io loza io, araka ny angom-baovao azo. Mazava ho azy amin’ny maha orinasa azy izay dia tsy nisy olona niasa tao anatiny tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Araka izany, tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra.
Ny afo efa nijoajoala tao amin’ny rihana voalohany mantsy no nanaitra ny rehetra teny ivelany, ka niantsoana avy hatrany ireo mpamonjy. Tonga avy hatrany teny an-toerana ireto farany : nahitàna ireo mpamonjy voina avy eny Tsaralalàna, ny teny Anosivavaka ary nampian’ny teny Ambodivona. Na dia teo aza anefa ny hamaroan’ireo miaramilan’afo izany dia somary nampanano sarotra azy ireo ny famonoana sy ny fifehezana ny afo, izay efa nahazo vahana tanteraka tamin’izy ireo tonga teny an-toerana. Ora maromaro taty aoriana mihitsy aza vao voafehy tanteraka izany. Nampiseho ireo tapa-porohana sy lavenona navelan’ny afo mpandrava tamin’ilay trano lehibe sy ny entana ary ireo antontan-taratasy rehetra tao anatiny. Hatreto raha ny vaovao hatrany dia mbola tsy fantatra mazava izay tena antony nahatonga ny loza. Voalaza mantsy teto fa toa hoe nisy nandoro ilay orinasa. Teo anatrehan’ny zava-misy araka izany dia nisy ny fidinan’ireo mpitandro filaminana nanao fanadihadiana teny an-toerana. Tamin’izany tokoa no fantatra fa nahitàna tavoahangy nampiahiahy, izay heverina fa nisy ireo fangaron-javatra mipoaka fantatra amin’ny anarana hoe « cocktail Molotov » ireny. Na izany aza anefa, hoy ny fanazavàna dia mbola tsy ahafahana mamoaka tsoa-kevitra malaky izany. Ny valin’ny famotorana nataon’izy ireo ihany aloha hatreto no ahafahana mamantatra ny tena zava-nisy marina tamin’ity orinasa ity.
m.L