- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAnkorondrano : Rongony tapa-gony saron’ny polisy, olona 2 voasambotra

Ankorondrano : Rongony tapa-gony saron’ny polisy, olona 2 voasambotra

Omaly maraina tokony ho tamin’ny 8 ora teo no tra-tehaka ny nafenina teny amin’iny faritra Ankorondrano Atsinanana iny. Rongony iray sakosy sy tapa-gony no fantatra fa saron’ny polisy. Araka ny vaovao voaray dia voalaza fa olona 2 no saron’ny polisy tamin’izany ka rangahy efa lehibe niaraka ny zazalahy mbola tsy ampy taona ireo tratra ireo.Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa tonga teny an-toerana ireo mpitandro filaminana tsy nanao akanjo fanamiana miisa telo. Rehefa teny zy ireo dia nisy nahamarika fa nitondra rojo vy. Tsy  nampiseho taratasy taratasy izay manamarika fa polisy tany amin’izy ireo. Rehefa nahasarona ireo rongony ireto mpitandro filaminana ireto dia niroso tamin’ny fisavana ny trano . Tamin’izany no nahitany vola be tao anaty kaomody. Nisy moa no nilaza fa toa hoe efa tahiry ireo vola ireo saingy tsy nahalala an’izany kosa ireto nanao ny fisavana. Tonga moa dia nentin’ireo voalaza fa mpitandro filaminana io vola be io. Re teo amin’ny manodidina fa  mpivarotra rongony ity rangahy lehibe tra-tehaka ity. Ilay zazalahy niaraka taminy indray dia nampangain’ny fofona avy amin’ny tanany izay nisy fofona hafahafa. Rehefa avy nanao ny fisavana ireo telolahy dia nentiny nanaraka azy ireo olona roa voarohirohy amin’ity fivarotana sy fifohana rongony ity. Tazonina any amin’ny biraon’ny polisy izy ireo amin’izao fotoana izao.

FINARITRA.RAKOTO(Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici