- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkorondrano : Sahobakaka nampitahotra ny mponina

Ankorondrano : Sahobakaka nampitahotra ny mponina

Andro maro izay, resaka be teny amin’ny faritra Ankorondrano Andrefana sy eny Andranomahery ny nahitan’ny olona sahobakaka voalaza fa faran’izay lehibe tokoa. Talohan’ny faran’ny taona, avy tao anaty tatatra Andriantany, nisy sahobakaka miloka mavo, ngezabe nitsambikina teo amoron-drano. Nisy ny nahita izany ary nikasa ny hisambotra azy. Tsy nisy nahazo mihitsy anefa ilay izy fa lasa nitsambikina tany anaty rano ary nandeha niampita teny amin’ny sisiny atsinanana. Dia mbola nisy indray ny saika hisambotra azy, sitrany ahay hatao « cuisse de nymphe ». Tsy nahazo koa anefa io fa niala maina, ohatra ny hanaovan’ilay biby fanenjika fotsiny. Re andro roa taorian’izany fa nifindra nandeha teny amin’ny faritra Andranomahery ilay biby. Nisy olona nahasambotra azy, hono, araka ny tantara re ihany. Dia io no namono azy. Ny vaovao hatrany no ahafahana milaza fa toa hoe nisy zavatra nianjady tamin’ireo olona ireo. Ny sasany aza nilaza fa nisy maty mihitsy tao amin’ilay fianakaviana. Rehefa nohamarinina anefa moa izany dia toa tsy nitombina ihany. Fa vao tamin’ny alahady indray no nisy ny resaka fahitana sahobakaka miloka faran’izany mainty indray teny Andromahery. Tsy nisy sahy nisambotra intsony ny olona nahafantatra ny nahitana ilay mavobe. Avy eo, mandeha be ny resaka eny amin’iny faritra iny amin’izao fotoana izao. Fambara inona izany zavatra izany? Sahona kely tokoa mantsy no misy aty afovoan-tany, misy sahobakaka goavana be nefa amin’ny rano maloto iny. Efa mivadika ny tontolo iainana, hoy ireo mponina.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser