Eo amin’ny fitoeran’ny fiara an’ny sosaiety iray izay isan’ny goavana ka tsy dia nisy nieritreritra ny hisian’ny halatra no nisy naka ny sprinter (fiara fitateram-bahoaka) iray. “Mitondra ny laharana 8677 TBB ilay fiara ka ny alin’ny zoma, tamin’ny volana 11 jolay, no nangalaran’ireo olon-dratsy azy” raha araka ny fampitam-baovao teo anivon’ny sampandraharahan’ny pôlisy miady amin’ny heloka bevava (BC). Ny ampitson’io ihany dia efa nipetraka ny fitoriana teo anivon’ny BC ka taorian’izay dia ireo mpiambina no voarohirohy voalohany ho isan’ny mpiray tsikombakomba tamin’ny halatra. Naiditra am-ponja ny iray tamin’ireo dimilahy. Nitohy ihany ny famotorana rehefa nahazo fahafahana manohy izany avy amin’ny fitsarana ny BC. Ny asabotsy teo ary dia nisy lehilahy iray nosamborina indray. Teny Ampantsakana no nahitàna ity lehilahy 31 taona ity. “Izy no tena atidoha nikotrina ny halatra. Ny mpiambina no nalainy ho namana tamin’ny fanatontosana izany tamin’ny alàlan’ny fanaovana lasitra ny mety ho dika mitovin’ny fanalahidin’ilay fiara. Namboariny izany nony avy eo ary avy amin’iny no nangalàna sy nitondràna ny fiara” raha araka ny fanazavan’ny pôlisy hatrany. Mbola tafiditra tao anatin’ity tambajotra ity ihany koa ny lehilahy iray 38 taona, izay mpanasa fiara no asany. Raha vao azo ny fiara dia nentina teny Ifarihy Tanjombato, dia nafindra tao amin’ny madama iray teny Dorodosy nony avy eo. Mbola hita tany amin’ireo olona ireo avokoa ny taratasin’ny fiara sy ny fanalahidy nampiasaina nangalarana azy. Niaiky avokoa ireo olona voasambotra fa izy ireo no tompon’antoka tamin’ny halatra. Nosamborina tao anatin’izao raharaha izao ihany koa ny mpandray sy mpividy halatra, efa namidy mantsy ny kojakoja maro momba ilay fiara.
D.R