- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkorondrano : Taxi-be tapaka « frein », iray miady amin’ny fahafatesana

Ankorondrano : Taxi-be tapaka « frein », iray miady amin’ny fahafatesana

Be loatra ny lozam-pifamoivoizana vokatry ny olana ara-teknika

Tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro omaly no nitranga ny lozam-pifamoivoizana. Taxi-be izay zotra 199 no tapaka hisatra raha nandalo teo Ankorondrano. Nisy ny olona iray izay nanapa-kevitry ny nanavotra ny ainy raha nahita fa ho ratsy ny fandehan-javatra. Nisaoty avy teny ambonin’ilay fiara fitateram-bahoaka izy ary mainka koa izany nitera-doza. Nifatratra tany amin’ny fiara taorian’ilay taxi-be ary voahitsaka tao izy. Naratra mafy ary miady amin’ny fahafatesana. Raha ny fanazavana azo avy tamin’ny pôlisy, dia nikasa ny handona ilay dongona izay manasaraka ny làlana ny mpamily ilay taxi-be mba hampijanona ny fiara. Eritreritra izay tsy tontosany, satria nisy fiara iray tampoka koa teo anoloany. Mbola nandona môtô roa teo anoloany izy ary koa fiarakaretsaka iray hafa. Nisy naratra maromaro tao anatin’ity lozam-pifamoivoizana ity. Niteraka fitohanan’ny fifamoivoizana avy hatrany koa izany, satria amin’ny fotoana maha-betsaka fiara mivezivezy no nitrangan’ilay loza. Mipetraka hatrany ny fanontaniana hoe:” mba tena miasa ara-dalàna ve ny sampan-draharaham-panjakana izay miadidy ny fitsirihana ara-teknika ?” Be loatra mantsy izay loza noho ny antony teknika avy amin’ny fiara fitateram-bahoaka. Ny tapaka hisatra, ny kodiarana sola, ny solika izay atao anaty tavoahangy ary mamatsy mivantana ny motera sy ny sisa maro, izany rehetra izany dia hita mibaribary rehefa mandeha fiara fitateram-bahoaka. Lasa vatam-paty mandehandeha, hoy ny olona izay. Kanefa tsy afa-manoatra aloha ny besinimaro, satria io no misy. Rehefa misy koa ny lozam-pifamoivoizana dia samy mifanipy baolina eo ny trano fiantohana sy ny tompon’ny fiara ary matetika dia lefy hoazy rehefa misy fitsarana kely. Asa raha mba fantatr’ireo mpiantsehatra rehetra ireo, fa eto Madagasikara, raha eto Afrika, no isan’ny nahafaty olona be indrindra ny lozam-pifamoivoizana ! Etsy andanin’izany, tsikaritry ny mponina eny amin’ny manodidina, fa misesy tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana nandratra sy nahafaty olona teny an-toerana. Vao tamin’ny herinandro lasa teo no nisy fiara nandona olona tamin’ny alina ary nitsoaka avy eo. Dia mbola nisy iray hafa koa, môtô nandona olona ary nitsoaka torak’izany hatrany koa.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici