Omaly hariva, mpiasa iray avy eto amin’ny orinasa Midi Madagasikara no naratra rehefa nisy fiara taxi 4L nandona azy, teo amin’ny « rond point » avy eny Masay iny. Nitondra bisikileta ity namana mpiara-miasa ity, tamin’io fotoana io avy any Masay ary handeha hamonjy ny asany amin’ny alina, taty amin’ny orinasa. Efa tafatsofoka tao anatin’ny « rond point » izy, araka ny filazany no nipoitra ilay « taxi » avy any Ivandry, izay tsy « priorité » akory fa avy hatrany dia nifaoka azy. Nipitika lavitra mihitsy izy sy ny bisikiletany, saingy mbola nisy fahatsiarovan-tena hiarina sao ho voahosin’ny fiara hafa avy aoriana indray. Tonga taty am-piasana ihany izy na dia nandraingiraingy aza : naratra sy nivonto teo amin’ny tongony ary mbola tsy fantatra izay nahazo azy any anatiny any. Nezahin’ireo mpiara-miasa nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana moa izy. Ny nampalahelo tamin’ny zava-nitranga, dia tsy mba nijery akory izay nahazo ity voadona ity ilay nahavanon-doza fa vao mainka aza nampitombo ny hafainganam-pandehany nirifatra nitsoaka. Dia izany tokoa ve ny hoe manao kely tsy mba mamindro ? Satria bisikileta dia tsy raharahaina na dia efa fantatra izao aza fa « priorité », ary mpitondra bisikleta ka na voadona aza tsy misy dikany ? Iza tokoa moa no tsy mikaikaika, indrindra fa ireo mpampiasa làlana, eo anatrehan’ny toetran-jiolahimboto ataon’ireo mpamily taxi sasantsasany eto an-drenivohitra ? Ary manaporofo tanteraka ireny ity nahazo ny namanay ity. Marihana, fa nisy nahatsikaritra ny laharan’ity fiara ity ka mba hanamora ny raharaha, dia miangavy ny mpamilin’io taxi io handray ny andraikiny. Na izy hanatona aty aminay, na ho an’ny pôlisy misahana ny lozam-pifamoivoizana avy hatrany.
m.L